Webradio

FANONDRANANA OLONA ANY MAYOTTE : Vehivavy iray karohin’ny mpitandro filaminana

Karohin’ny mpitandro filaminana i Maria na Rasoanahinatina Francia Maria, ankehitriny. 19 novembre 2020

Voalaza mantsy fa tompon’ny “coque” na vedety matetika ampiasain’ireo olona mitatitra olona an-tsokosoko mihazo an’i Mayottes izy. Efa notaterina teto amin’ny pejin’ny Ino Vaovao Faritra fa lasa fiaingan’ny fifindra-monina an-tsokosoko ho any amin’ity departemanta frantsay iray ity i Nosy be sy Ambanja. Efa maro ireo saron’ny mpitandro filaminana saingy betsaka ihany koa ny tafaporitsaka. 

Ny manaitra ny mpanara-baovao dia tsy Malagasy ihany ireo mpifindra monina an-tsokosoko ireo fa betsaka ny Afrikanina. Tonga eto Madagasikara miaraka amin’ny pasipaorony sy ‘visa tourisme’ ary mihazo any avaratr’i Mahajanga avy hatrany. Araka ny vaovao azo dia ny tambazotra facebook no ifandraisan’izy ireo amin’ireo olona hampiampita azy eto Madagasikara fa tsy fantany akory ireo olona handray azy. Ranomasina 339km eo no vakivakian’izy ireo amin’izany ary 2 000 000Ariary ka hatramin’ny 3 000 000Ariary ny saran-dalana. 

Marihina moa fa tafiditra amin’ny atao hoe fivarotan’olona ny fitaterana ireo mpifindra monina an-tsokosoko ireo, ka sandaina volabe ary anisan’ny iadian’ny Firenena mikambana. Araka ny fanamarihana avy any Mayotte kosa dia lasibatry ny fifindra-monina tsy ara-dalàna izy ireo amin’ny maha anatin’i Frantsa azy ireo. Ny Kaomôrianina no mpifindra monina tsy ara-dalàna voalohany any an-toerana avy amin’ny Grandes Comores, Mohéli sy Anjouan. Misy maro ihany koa ny Malagasy ary mihamaro ny Afrikanina. 

Araka ny nambaran’ireo Mahorey anefa dia dingana ihany no ataon’ireo mpifindra monina indrindra Malagasy sy Afrikanina ao, fa ny ho any Frantsa no tena tanjon’izy ireo. Ny an’ny Kaomôrianina kosa dia ny mba hahazoana ireo tombontsoa ara-tsosialy omen’i Frantsa an’i Mayotte amin’ny maha departemanta frantsay azy, toy ny fanabeazana sy ny fahasalamana maimaimpoana ary ny maro hafa.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés