Webradio

FANARIANA ZAZA, HERISETRA ARA-NOFO : Misesilany hatrany ireo zaza vao teraka nisy nanary an-davapiringa

Andro maromaro nifanesy izay tato ho ato dia nahitana zaza narian-dray aman-dreniny hatrany eny amin’ny fiarahamonina.  19 novembre 2020

Tranga iray mahonena ihany koa ny mahazo ireo zaza menavava vao teraka arian’ireo reny tsy mataho-tody any anaty lava-piringa. 

Ny tolakandron’ny talata 17 novambra lasa teo iny izao dia tao Andranonahoatra Antsirabe iny indray no nahitana io tranga io. Zazalahikely vao teraka, mbola niaraka tamin’ny tadim-poitra no nisy nanary tao an-davapiringa. Ireo ankizy teo amin’ny manodidina sendra nilalao no nahare feon-jaza nitomany, ka avy hatrany dia nampandre ireo olon-dehibe teo an-tanàna. Raha ny fanampim-panazavana voaray dia lavaka kely antonona loha fotsiny ihany no nanariana azy io, ka rehefa novakiana ilay toeram-pivoahana dia nihorirana ilay zaza. Nifamonjena, nojerevana haingana ka noentina tobim-pahasalamana aloha mba hovonjena ny ainy ary avotra soa aman-tsara ity farany. 

Tsy fantatra moa hatreto ireo olona nahavanon-doza nanary azy, ka misokatra ny fanadihadiana ao an-toerana manoloana ny raharaha. 

Raha tsiahivina hatrany, ny alin’ny alatsinainy 16 novambra lasa teo ihany koa dia zazalahikely vao am-bolana no nisy nanary teny amoron-dalana tao Antanamandroso Moramanga. Tsy mbola hita popoka rahateo koa ny reniny sy izay fianakaviany. 
Ny tsikaritra aloha eto dia mahazo vahana amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy ny fanariana zazakely, ny herisetra ara-nofo mahazo ireo tsy ampy taona ankehitriny efa diso tafahoatra.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés