Webradio

SALAMA BNI : Nisitraka tobim-pahasalamana ny Kaominina Antanetibe Mahazaza

Tontosa ny 17 novambra 2020 lasa teo iny ny fitokanana ny toeram-pitsaboana CSB II tao amin’ny Kaominina Antanetibe Mahazaza, Mahitsy, Distrikan’ Ambohidratrimo.  19 novembre 2020

Tonga nanatrika izany avokoa ireo solontenam-panjakana isan-tsokajiny sy ireo mpiara-miombon’antoka tamin’io fotoana io. 

Tetikasa ara-tsosialy iray izay isan’ny nandraisan’ny BNI Madagasikara anjara ny fikarakarana sy famatsiana ara-bola tamin’ny fanamboarana rehetra. Niarahany tamin’ireo mpiara-miombon’antoka “fondation axian” sy ny “ Madagascar Health”. Tanjona iray hitsinjovana sy hijerevana manokana ary fampandrosoana ny sehatry ny fahasalamana hanampiana ny mpiara-belona eto no napetraky ny banky BNI Madagasikara amin’ny alalan’ny fandaharan’asa “Salama BNI”. Ity kaominina ity no nisitraka voalohany ny fandaharan’asa izay hotanterahina ao anatin’ny dimy taona ka hahenika faritra maro. 

Mponina mahatratra 12 000 ao anatin’ny Fokontany miisa 18 amin’ity kaominina ity, araka izany no mahazo tombontsoa maro amin’ny fampiasana azy. 

Manara-penitra, ampy fitaovana tsara ireo dokotera, mahavita mitsabo sy mandray ara-dalàna ireo marary, ireo vehivavy bevohoka ary ny momba ny reny sy ny zaza ao an-toerana. 

Manohy ny ezaka mandrakariva moa ny banky BNI amin’ny lafiny ara-tsosialy sy fampandrosoana, hiditra bebe kokoa amin’ny fanatsarana ny lafiny fahasalamana eto Madagasikara ankoatra ny fanomezana fahafaham-po ireo mpanjifany hatramin’izay.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés