Isan’ny tetikasa tanterahin’ny Fanjakana any an-toerana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ny famitàna ny lalana, “boulevard Ratsimilaho” izay manemitra ny moron-dranomasin’i Toamasina. Hohajariana tanteraka ity toerana ity noho izy efa rava tanteraka taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza nifanesy.
Natolotra tamin’ny fomba ofisialy omaly koa ny fanajariana ny lalana miainga avy eo Morafeno mivoaka eo amin’ny Hopitaly Be, izay hanala ny fitohanana ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Araka ny ny toromarika nomen’ny Filoha, Andry Rajoelina, dia narafitra natao "béton" ity lalana ity mba hateza sy haharitra an-taona maro. Manaraka ny fenitry ny lalan-dehibe rehetra ihany koa ity ampahan-dalana ity izay natao malalaka tsara hahafahan’ny fiara hivezivezy ary nasiana lalana natokana handehanan’ny mpandeha an-tongotra.
Miami…
Natomboka omaly koa ny dingana voalohany amin’ny tetikasa “Miami”, fanamby efa nampanantenain’ny Filoha. Ny fanajariana ny tapany avaratra manomboka amin’ny Hopitaly Be mifarana eo amin’ny “Neptune” izay mirefy 560m no hatao amin’io. Ity dingana voalohany ity dia hametraka ny rarivato mirefy 800m izay manaraka ny endriky ny sisin-dranomasina ary hiaro ny fotodrafitrasa amin’ny onjan-dranomasina sy ny rivo-doza. Hohajariana tanteraka ny moron-dranomasina hahafahana mametraka ny fototra ijoroan’ireo fotodrafitrasa dia : ny "jardin des amoureux", ny "skate-park", ny fanaovana fanatanjahan-tena an-kalamanjana sy ny tapany voalohany amin’ny toerana ipetrahan’ireo mpivarotra voanio. Haharitra 5 volana ny fanatanterahana ity dingana voalohany ity ary hitohy avy hatrany ny dingana faharoa hatrany amin’ny fahaefatra farany. Nohamafisin’ny Filoha Andry Rajoelina fa ankoatra ny fanatsarana ny endriky ny tanànan’i Toamasina dia natsangana ity tetikasa Miami ity mba ho fampiroboroboana ny sehatry ny fizahan-tany izay isan’ny fanoitry ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara. Nampahatsiahivin’ny Filoham-pirenena ihany koa fa ankoatra ireo fotodrafitrasa ireo dia homena sehatra manokana ihany koa ny varotra fampirantiana ny asa tanana vita malagasy.
Notokanana ny PACT
Notokanana nandritra ity dian’ny Filoha tao amin’ny Faritra Atsinanana ity koa ny "Port Academy Center Toamasina" (PACT) izay ivon-toerana hanome fiofanana ireo mpiasa misehatra eo anivon’ny seranana. Ankoatra ireo fiofanana teknika isan-karazany, ny PACT dia ivon-toerana manara-penitra afaka mandray fivoriana sy fifanankalozan-kevitra eo amin’ny samy mpisehatra eo anivon’ny seranana eto amin’ny faritra Oseana Indianina sy Afrika Atsinanana. Ny fananganana ity fotodrafitrasa ity dia avy amin’ny kitapom-bolan’ny SPAT madio ary natao indrindra hanatsarana ny fahaiza-manaon’ ny mpiasa Malagasy izay mifanindra an-dalana amin’ny fanatsarana sy fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina.
EPP manara-penitra Analankininina
Ankoatra ireo, nitsidika ny EPP manara-penitra ao Analankininina Toamasina ihany koa ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina mivady. Efa mandray mpianatra ity sekoly ity ary efa misy mpandraharaha maro sy mpampianatra mampihodina azy. Fanamby nataon’ny Filoha ny hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ary ahitana taratra izany ity sekoly mitsangana any an-toerana ity. Maimaim-poana ny fampidirana ny mpianatra tao amin’ny sekoly, misy toeram-pamakiam-boky, efitrano fianarana informatika, toeram-pisakafoana ary toerana malalaka hilalaovan’ny ankizy ity toerana nanorenana ny sekoly ity.
Ny Fanoratana