Webradio

FIFANINTSANANA CAN 2022 : Nisaraka ady sahala iray noho iray ny Barea sy ny Ivoariana

Nisaraka tamin’ny ady sahala iray noho ny iray ny ekipam-pirenena Barea sy ny Elefanta Ivoariana, omaly, nandritra ny lalao nifanaovana tao amin’ny Kianja Barikadimy Toamasina.  19 novembre 2020

Tafiditra ao anatin’ny lalao fifanintsanana hizorana ho any amin’ny Can ity lalao ity. Tamin’ny ankapobeny, niady mafy ny Barea saingy hita taratra teny hatrany ny fahabangan’ny Ekipa indrindra ireo lohandohany nahazatra hatramin’izay. Tsy isan’ny niakatra an-kianja intsony mantsy ry Abel Anicet, sy ry Bolida. Ny Kapiteny Abel Anicet moa dia iny niaraha-nahalala iny nahazo azy, voan’ny covid-19 izy,  tsy afaka nandray anjara  na tamin’ny lalao mandroso natao tany Côte d’Ivoire na tamin’ny lalao niverina natao tatsy Toamasina, omaly iny. I Bolida kosa indray, nandray anjara ihany tamin’ny lalao mandroso saingy tsy afa-nikofoka intsony tamin’ny lalao miverina noho ny olana tamin’ny tongony nahazo azy. 

Tao anaty fitaintainana tanteraka no niandrasan’ny mpitia kitra sy ny mpakafy Barea iny lalao omaly iny. Tsy nety tafiditra tao anaty lalao mihitsy ny Barea tany am-piandohana, ka ry zareo Ivoariana indray no nisantatra nampidi-baolina voalohany na taty amin’ny tanintsika aza no natao izany. Teo amin’ny minitra faha-15, naharay baolina tsy nahy, tao anaty faritra tsy azo ivalozana manakaiky ny tsivalan-kazo ny mpilalaon’ny Barea.

Nahazoan’ny Ivoariana daka fahadisoana io. Ilay mpilalao Ivoariana, Franck Kessié  no nandaka. Tsy voatohan’ny mpiandry tsatokazo Melvin Adrien ny daka am-pitaka nataony ka avy hatrany dia nigorobaka ny harato. Tsy niova intsony io isa nandritra ny fizaràm-potoana voalohany na nifamaly teny aza ny fanafihana avy amin’ny an-daniny sy ny an-kilany. Taty amin’ny fizaràm-potoana faharoa, samy nanova paikady ny roa tonta,  tsikaritra ho nahazo aina kokoa ny Barea ary teo vao tena tafiditra tao anaty lalao tanteraka.  Teo amin’ny minitra faha-51 isika no nahita isa iray tamin’ny alalan’i Ibrahim Ahmada. Tsy niova intsony ny lalao taorian’io ary izay hatrany no nisarahana.

Raha mahakasika ny lalao amin’ny ankapobeny kosa indray, mbola mitarika ny Barean’i Madagasikara ao amin’ny “Vondrona K” izay misy antsika. Raha atontaly tsotsotra izany dia samy manana isa fito mitovy isika sy “Côte d’Ivoire” Manatombo kosa anefa isika amin’ny"Goal Average".

Toy izao ny mpilalao 11 voalohany Malagasy nalahatry ny mpanazatra Nicolas Dupuis : Mpiandry tsatokazo : Melvin Adrien ; Vodilaharana, Romain Metanire, Jérémy Morel, Thomas Fontaine ary Jérôme Mombris. Ry  Ibrahim Amada sy  Marco Ilaimaharitra hatrany kosa no teo afovoan’ny kianja ary nanampy azy ry Rayan Raveloson, Andriamahitsinoro Carolus, Voavy Paulin . Hakim Abdallah kosa no irakiraka.  Tsy ratsy ireny lalao ireny saingy mbola mila ezaka hatrany ny mbola ho avy. Farafaharatsiny izany isika, manao ady sahala mandritra ny lalao ifandonana amin’ny ekipam-pirenena etiopianina any Addis-Abeba amin’ny volana marsa. Raha azontsika izay dia efa mazava indray aloha ny lalana hiakarana amin’ny CAN 2022 any Cameroun.

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés