Webradio

FITAOVAN’NY ZANDARIMARIA : Nopotehina ireo baomba tahiry tsy azo ampiasaina intsony

Tontosa ny 23 novambra lasa teo tao Langaina, ny fanapotehana ireo baomba tahiry isan-karazany tsy azo ampiasaina intsony eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. 26 novembre 2020

Araka ny angom-baovao voaray dia nanazava ny kaomandin’ny Zandarimaria amin’ny Fari-piadidiana Antananarivo Andry Rakotondrazaka fa  : “efa tsy azo ampiasaina intsony ireo baomba ireo ary efa tahiry am-polon-taonany maro ka tsy maintsy nandraisana fepetra ka izao tontosa soa aman-tsara izao“. 

Nisy ihany koa ny andrana ara-teknika natao tamin’ireo basim-panjakana, izay nogiazana tratra tamin’ireo asan-jiolahy maro nitranga teto amin’ny fari-piadidiana Antananarivo nandritra izay folo taona izay. Ho an’ny eto Madagasikara manokana moa dia efa misy ny fandaharam-potoana izay hotontosaina any amin’ny Faritra tsirairay avy amin’ny fanapotehana sy ny fanaovana andrana teknika ireo fitaovam-piadiana azon’ny Zandarimaria teo am-panatanterahana ny asany izay nampiasan’ireo olon-dratsy.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés