Hita mantsy fa miakatra ny vidin’ireo vokatra ilaina amin’ny fiainana andavanandro eto Mahajanga. Hita, hoy izy, fa mitombo be ny tombom-barotra alain’ny mpamongady amin’ny entana. Misy ny mpamongady no mampiakatra sahady ny vidin’entana lazainy fa hanonerany ny mety ho fatiantoka ho azony izay mbola tsy fantany. Misy ny fifampiresahana amin’ny mpivarotra sy Fanjakana mba hampidinana ny tombony alain’izy ireo amin’ny mahazatra teo aloha sy mba hahatsapan’izy ireo fa efa ambony io tombony io.
Na miakatra aza ny vidin’entana eny amin’ny tsena iraisam-pirenena, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity dia nampahafantariny ireo mpambongady fa tsy mihena ny tombony azon’izy ireo raha mijanona amin’ny tombony alainy teo aloha.
Betsaka ihany koa ny tsy manana faktiora ka tsy fantatra ny vidiny akan’izy ireo ny entana amin’ny mpanafatra. Maha voasazy ny tsy fananana faktiora, hoy ity tompon’andraikitra ity amin’ny lalàna mikasika ny fifaninanana ara-barotra. Hanara-maso ireo mpivarotra izy ireo ka hijery ny vidiny ividianana sy amarotana ireo entana ary mangataka ny hitazoman’izy ireo ny tombom-barotra alain’izy ireo fa tsy hampiakarina be araka izay itiavana azy.
Vanessa