Araka ny fanampim-baovao hatrany dia manomboka ny faran’ny volana novambra izao sy amin’ny fiandohan’ny volana desambra izany fitomboana eo amin’ny sidina iraisam-pirenena ao Nosy Be izany.
Araka ny fantatra dia hitombo indroa isan-kerinandro ny sidina ho an’ny kaompania Ewa avy any Mayotte manomboka ny volana desambra izao raha indray isan-kerinandro izany teo aloha. Raha ny kaompania Air Austral kosa indray dia hiverina mampitohy an’i Nosy Be amin’ny any ivelany manomboka amin’ny faha-8 ny volana desambra ho avy izao. Araka ny vaovao voaray hatrany dia hiampy Airlinks indray ny kaompania ary amin’ny farany volana novambra izao ny sidina avy any Afrika Atsimo.
Raha tsiahivina dia ny kaompania Ethiopian Airlines no nanokatra ny sidina avy any ivelany taorian’ny fikatonana noho ny coronavirus ary mbola mitohy ihany izany ary indroa isan-kerinandro, amin’izao fotoana izao.
Hita, araka izany, fa manome tosika amin’ny sehatry ny fizahan-tany ny Fitondrana araka ny praograman’asan’ny minisiteran’ny Fitaterana, fizahan-tany ary ny famantarana ny toetrandro. Araka ny fantatra ihany dia hisy ny tolotra manokana homena ireo liana amin’izany ka te hitsidika an’i Nosy Be.
Mazava ho azy fa izany rehetra izany fa tsy maintsy manaja ireo fepetra ara-pahasalamana izay efa nofaritan’ny Fanjakana malagasy amin’ireo sidina avy any ivelany tonga ao Nosy Be .
Mpanjono