Webradio

TAOM-PIANARANA 2020-2021 : Efa misokatra ny fisoratana anarana ao amin’ ny oniversite ISFPS Leader

Raha toa ka vao nanomboka ny 2 novambra lasa teo ny taom - pianarana 2019-2020 ho an’ ny oniversiten’ Antananarivo dia efa madiva hifarana kosa izany ho an’ ireo sekoly ambony tsy miankina amin’ny Fanjakana.  30 novembre 2020

Ho an’ ny oniversite " Institut supérieur de formation paramédicale et sciences de la société" (ISFPS Leader) manokana, ohatra, dia efa eo an-dalam-pamaranana ny taona 2019-2020 izy ireo. Araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ity oniversite ity, Zino Andrianarivelo dia efa mandroso mankany amin’ny fandraisana ireo mpianatra vao nahazo ny mari-pahaizana bakalorea farany teo izy ireo.

"Ny 9 desambra izao ny fidirana andiany voalohany, raha toa ka amin’ny volana janoary 2021 ny faharoa". Mbola mitohy kosa ny fandraisana ireo mpianatra maniry handranto fahaizana ao anefa ary tsy hijanona izany raha tsy aorian’ny fidirana ho an’ ny taom- pianarana 2020-2021 eny amin’ny Anjerimanontolo. Izany no natao dia ho fitsinjovana an’ireo mpianatra tsy tafiditra eny aorian’ny fifaninanana hidirana amin’ ny taona voalohany kanefa mbola maniry ny hanohy ny fianarany.

Ny oniversite ISFPS Leader izay hita eny Tanjombato, Mandrosoa Ambohijatovo dia manolotra lalam-piofanana roa ho an’ireo tanora dia ny " Paramédicaux" izay ahazoana hatramin’ny mari-pahaizana " Licence" na bacc+3 sy ny " Sciences de la société" ahazoana hatramin’ny mari-pahaizana "Master II na bacc +5.

Ankoatra ny eto Antananarivo dia misandrahaka amin’ny Faritra maro manerana an’i Madagasikara ity oniversite ity, toy ny any Toliara, Fort-Dauphin, Ambovombe Androy.

Soa Tahiry

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés