Webradio

FITSARANA : “Tsy azo ekena intsony ny herisetra mianjady amin’ny zaza sy ny tovovavy”

Miseho amin’ny endriny maro ny herisetra, izay mahazo vahana amina Firenena maro maneran-tany.  30 novembre 2020

Manomboka izao, hampiharina ao anatin’ny satan’ny Fitsarana iraisam-pirenena ny fanenjehana faran’izay henjana an’ ireo tsy matimanota sy nahavanon-doza nanao herisetra.

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny teo anivon’ny Fitsarana iraisam-pirenena manoloana ny firongatry ny herisetra izay mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy amin’izao fotoana izao. Tsy ny eto Madagasikara ihany fa Firenena maro maneran-tany no ahitana fa tena manjaka sy mahazo vahana ny herisetra na ara-batana io, na ara-tsaina fa indrindra ny ara-nofo. Ankoatra ny fanolanana zaza tsy ampy taona dia ao ihany koa ny fampanambadiana zazavavy aloha loatra ary ny fanondranana amin’ny endriny vaovao. Ireo rehetra ireo dia heloka bevava saingy misoko miadana eny anivon’ny fiarahamonina ankehitriny. Voka-dratsy maro anefa no aterak’ireo endrika herisetra ireo raha tsy hilaza afa-tsy ny fahasimbana ara-tsaina, ny takaitra ara-batana ho an’ilay niharan’ny herisetra. Tsy azo ekena intsony izany, hoy ny teo anivon’ny Fitsarana iraisam-pirenena momba ny heloka bevava (CPI). Tsy maintsy henjehina ireo tsy matahotody sy nahavanon-doza ka nanao herisetra tamin’ny vehivavy sy ny zaza.

 “Tsy maintsy hihoarana ny sakana rehetra hanenjehana ny mpanao ratsy rehefa voamarina sy voaporofo ny vesatra anenjehana ny voampanga”, hoy hatrany ny teo anivon’ny CPI. Nohamafisin’ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ity Fitsarana iraisam-pirenena ity fa mila fongorina ny ady amin’ny herisetra amin’izao taon-jato iainatsika izao. Hisy ny paikady hapetraka hanatratrarana izany toy ny fampiasana ny antontan-kevitra voatahiry ary hisy ihany koa ny famolavolana politika ankapobeny mirakitra ny heloka ara-pananahana sy ny politika ankapobeny momba ny ankizy. Nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho famongorana ny herisetra no nanambaran’ny teo anivon’ny Fitsarana iraisam-pirenena momba ny heloka bevava an’ireo rehetra ireo.
Miady mafy i Madagasikara
Raha ny tranga eto Madagasikara manokana dia tena mirongatra izaitsizy ny trangana herisetra. Ny fanolanana zaza tsy manan-tsiny no tena nahazo vahana tato anatin’ny telo herinandro nifanesy izay. Anisan’ireo Firenena nankalaza ny andro maneran-tany ho famongorana ny herisetra i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny hetsika nataon’ny vadin’ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina tany Atsimo. Ankilany, ny hery velona rehetra eto amin’ny Firenena dia tsy hitsitsy ny fampiharana ny sazy amin’izay tra-tehaka ka voaporofo tokoa fa tena nanao herisetra.

Ny faran’ny herinandro teo nandritra ny lanonam-pitsarana manetriketrika nanolorana ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy dia nivohitra fa anisan’ireo tsy hanaiky lembenana manoloana ny fisian’ny trangana herisetra ny Fitsarana Malagasy. 

Mety hiafara hatrany amin’ny figadrana mandra-pahafaty ny fanaovana herisetra. Ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana rahateo dia mametraka fanamby ny amin’ny ady atao amin’ity tranga mamohehatra ity amin’ny alalan’ny fampihetsehana an’ireo mpitsara efa ho an-jatony.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés