Webradio

FENOARIVO-ATSINANANA : Tsy diso anjara amin’ny ady atao amin’ny herisetra mpahazo ny ankizy

Raha tsiahivina, ny 26 novambra no andro iraisam-pirenena amin’ny ady atao amin’ny herisetra.  30 novembre 2020

Tsy navelan’ny Fitondram-panjakana handalo fotsiny izany fa nomarihina tamin’ny hetsika sy fanentanana maro samihafa. Anisany tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana ny andro eran-tany hiadiana amin’ny herisetra ny tao Fenoarivo-Atsinanana. Ny Minisitry ny Mponina, Bavy Angelica Michelle mihitsy moa no tonga tany an-toerana nitarika ny fotoana ny sabotsy 28 novambra teo. Hetsika izay natao tao amin’ny tranompokonolona nanasana sokajin’olona maro. Nivohitra nandritra io fotoana io ny fanentanana ireo ankizy sy ray aman-dreny ary ireo Mpitondra Fanjakana eny ifotony mba ho sahy hitoroka sy hanenjika ireo fahavalom-pirenena, dia ireo mpanao herisetra sy mpanolan-jaza.

Nomarihin’ny Minisitry ny Mponina fa anisany Faritra matetika ahenoana trangana fanolanana ny Faritra Analanjirofo. Ny zoma 27 novambra teo, dia efa nisy trangana fanolanana tao Vavatenina. Zazavavy kely 2 taona no nisy nanolana. Efa mitsangana ao amin’ny Faritra Analanjirofo amin’izao fotoana izao ny tambazotran’ny mpiaro ireo ankizy amin’ny herisetra sy ny fanolanana izay tarihin’ny eo anivon’ny Fitsarana.
Nandritra ny lahateny nataony, nanipika ny Minisitry ny Mponina fa sarotiny dia sarotiny amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy ny Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina, ka manao vaindohan-draharaha ny ady atao amin’izany herisetra izany ny minisitera izay tantaniny.

TH

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés