Webradio

PARLEMANTERA MPANOHITRA : Mikasa hanao bontolo tsy handany ilay lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana

Araka ny loharanom-baovao voaray dia tsy nanatrika ny fivoriana noentina nandaniana an’ilay volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2021 ireo Solombavambahoaka Tim.  30 novembre 2020

Ny zoma teo no nandalo teo anatrehan’ny fivoriam-ben’ireo Solombavambahoaka io lalàna  io rehefa avy nodinihin’ny vaomiera misahana ny vola tao anatin’ny herinandro. Taorian’ny adihevitra nataon’ireo Depiote dia lany tamin’ny endriny nasiam-panovana ity lalàna ity. Mazava ho azy, fa matoa misy amin’ireo vondrona parlemantera no tsy miditra na mivoaka ny efitrano fivoriana amin’ny fotoana fandaniana lalàna iray dia efa miharihary izay fa tsy ankasitrahan’izy ireo ilay lalàna holaniana. Ny tsiliam-baovao tamin’ny herinandro lasa teo no nilaza fa misy amin’ireo Loholona avy amin’ny mpanohitra ihany koa no mitady izay fomba rehetra tsy handaniana an’ity lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ity. 

Hatreto aloha, tsy fantatra izay tena tanjon’ireto parlemantera mpanohitra ireto fa ny tsy azo ihodivirana dia tadiavin’izy ireo hatao bontolo fotsiny ny tsy handaniana an’io lalàna io. Tsy mahagaga raha ny zava-misy eo anivon’ny Antenimieran-doholona satria ny azy ireo dia filam-boatsiary noho ny tsy fahazoana tombontsoa intsony ao anatin’io volam-panjakana hampiasaina amin’ny taona ho avy io. Ny hany heriny sisa dia mitady ny hirika rehetra hoentina hanakorontanana sy hampikatsoana ilay raharaham-pirenena. 

Ho an’ireo Solombavam-bahoaka avy amin’ny Antoko Tim indray dia nambaran’izy ireo fa tsy ampy ny fotoana nandinihana an’io lalàna io, ka antony tsy nandraisan’izy ireo anjara izany. Voalazan’izy ireo fa natao tao anatin’ny hamehana indray ny fandaniana ity volavolan-dalàna ity satria tsy nanaja ny fe-potoana izay voalazan’ny lalàm-panorenana. Anisany antony nivoahan’izy ireo ny efitrano fivoriana nandritra ny fivoriana itambaram-be tena handaniana ity lalàna ity izany ary tsy nandraisan’izy ireo anjara. 

Amin’ny ankapobeny, toa fanamaivanana ny raharaham-pirenena no ataon’ireto parlemantera ireto. Ny tetibolam-panjakana izay misahana manontolo ny fampandehanana ny raharaham-pirenena ary anisany iankinan’ny fiainam-bahoaka kanefa dia notsinontsinoavin’izy ireo tanteraka tahaka izao. Tsy vao sambany ihany koa fa efa fanaon’ireo parlemantera mpanohitra ny fihetsika tahaka izao rehefa tsy mifanaraka amin’izay eritreretiny. Avy hatrany dia nalefa eny anivon’ny Antenimieran-doholona ity lalàna ity. 

Andrasana indray araka izany izay ho afitsok’ireo Loholona amin’ny fankatoavana na tsia an’ity volavolan-dalàna nasiam-panitsiana mifehy ny tetibolam-panjakana lany teny amin’ny Antenimieram-pirenena ity.

Ny Fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés