Webradio

LALANA MIFEHY NY TETI-BOLA 2021 : “Nifanaraka tsara tamin’ny Lalàmpanorenana”

Nihenjan-droa indray ny tady teny anivon’ny Antenimieram-pirenena nandritra ny fivoriana nandinihana sy nandaniana ilay lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2021.  30 novembre 2020

Nitsipaka ny fandaniana izany ireo Solombavambahoaka avy amin’ny Tim raha niisa 97 kosa ireo Solombavambahoaka nandany izany. Iretsy voalohany dia manizingizina fa tao anatin’ny fanitsakitsahana tanteraka ny Lalàmpanorenana no nanaovana ny fandaniana izany. Ireo Solombavambahoaka avy amin’ny vovonana IRD sy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine kosa, ankilany, dia nanamafy anefa fa tena nifanaraka tsara tamin’ny Lalàmpanorenana ny nandaniana an’io lalàna io. 

“Araka voalazan’ny Lalàmpanorenana dia tsy maintsy apetraka eo Antenimieram-pirenena ary 15 andro aorian’ny fametrahana ny lalàna izay vao miditra amin’ny fandaniana izany ireo Solombavambahoaka. Tsy ampy 15 andro anefa  ny nametrahana ilay lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana teto amin’ny Antenimieram-pirenena  fa natao tao anatin’ny hamehana ary narahina hazakazaka arahin-tosika”, io ny fanazavana noentin’ireo Solombavam-bahoaka Tim. 

Avy hatrany dia namaly bontana izany ny filohan’ny Antenimieram-pirenena izay nilaza fa samy manana ny fomba andikany sy handraisainy ny Lalàmpanorenana ny tsirairay. “Misy ireo mandika ny andalana amin’ny Lalàmpanorenana izay milaza fa  tsy ampy ny fotoana nandinihana an’ilay lalàna fa fohy dia fohy satria milaza ny Lalàmpanorenana fa 15 andro aorian’ny ahatongavany no tokony hodinihiana. Tsy izay no fijerinay azy fa hoe, manana hatramin’ny 15 andro handinihana an’ilay volavolan-dalàna mikasika ny tetibolam-panjakana ka midika izany fa nahavita alohan’ilay 15 andro izahay dia ara-dalàna. Izahay ao amin’ny IRD efa nalaina ny hevitray ary efa nalaina ihany koa ny hevitry ny rehetra, ka matoa izahay nandany  dia mahatsapa fa mifanaraka amin’izay filana eny ifotony ireny nambarany ireny”, hoy kosa ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine.

Ahafahana mampandroso ny raharaham-pirenena

Nanamafy ihany koa ny Minisitry ny toe-karena sy ny tetibola fa zava-dehibe ho an’ny Firenena ny fahalanian’iny volavolan-dalàna iny, izay anisany hiantoka ny fampandehanana ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny. “Heverinay fa tena zava-dehibe eto amin’ny Firenena ny nandinihan-dry zareo an’iny lalàna iny. Tsy sanatria an’izay hoe nanangan-tanana be fahatany amin’izao fa tena nisy ny fanitsiana, nisy ny fangatahana fanazavana ary nisy ny torohevitra maro samihafa sy ny fifanakalozana teo anivon’ny vaomieran’ny fitantanam-bola. 

Azo lazaina fa afaka manohy ny asany soa aman-tsara ny Governemanta ary izany no atao dia heverina fa ahafahantsika manatanteraka ireo vinan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina”, araka ny fanehoan-kevitra noentin’ny Minisitry ny tetibola sy ny toe-karena, Randriamandrato Richard. Taorian’ny fahalanian’ity lalàna ity teny Tsimbazaza dia handalo fandinihana sy fankatoavana eo anivon’ny Antenimieran-doholona indray izany. Miverina eny am-pelatanan’ireo Depiote indray ary aorian’izay vao halefa eny anivon’ny Governemanta.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés