Marobe ny fitarainana etsy sy eroa. Ny vaovao voaray avy any amin’ny Faritra Itasy iny, zazavavikely valo taona no naolan’ny mpanampy an-trano azy ireo tao Analavory, ny 26 novambra lasa teo. Tovolahy iray 17 taona mpanampy tao an-trano ihany no nahavanon-doza.
Nidina ifotony nijery ny raharaha moa ny Zandary tao an-toerana nanokatra ny fanadihadiana, nitondra ilay zaza tany amin’ny mpitsabo ihany koa mba hatao fizahana. Voaporofo tamin’izany fa voaolana tokoa ilay zaza, rehefa natao rahateo koa ny famotorana dia voalaza fa nandritra ny fahatapahan-jiro tao an-toerana no nanararaotra nametaveta io zaza io teo ambony fandriany ity mpanampy lahy. Ny renin’ilay zazavavikely no nahatsikaritra avy hatrany ny zava-nitranga. Niaiky ny heloka vitany ity tovolahy tamin’ny fotoana nanaovana ny famotorana. Ny andron’ny 27 novambra no niakatra ny Fampanoavana ny raharaha ary efa nidoboka am-ponja ity nahavanon-doza amin’izao.
Manafatra ny ray aman-dreny mandrakariva ny mpitandro filaminana mba samy ho mailo amin’ny fiambenana tsara ireo taranaka manoloana ny tranga misesilany sy mamaivay.
Mikasika ilay lehilahy nanolana sy nahafaty zazavavikely roa taona monja tao Toliara ny faran’ny herinandro lasa teo iny ihany koa moa dia efa nahazoana tatitra tamin’ny Polisim-pirenena fa efa voasambotra izy. Nidoboka am-ponja amin’izao fotoana izao taorian’ny famotorana lalina natao azy.
Tatianà R.