Vokany, lehilahy roa lahy saron’ny polisin’ny Fip tao Valpinson, ny alin’ny zoma teo, tokony ho tamin’ny 9 ora alina, ka nahatrarana an’ i Fano Gaetan 25 taona, "mécanicien" mpiasa amina garazy iray ao Morafeno sy Mahafehy Armand Laurent, 35 taona, "mécanicien" eny amina garazy iray ao Morarano. Tuc-tuc mitondra laharana 7647 AH kosa ilay nangalarina ary an-dRajaonarison Hery monina ao Tanambao Fahadimy.
Lasibatra ihany koa ny posiposy bisikileta
Ny alakamisy 26 novambra antoandro, tokony ho tamin’ny 1 ora, raha sendra mbola variana nisakafo ny tompona posy bisikileta iray dia nanararaotra nangalatra ilay posiposy ny tovolahy iray antsoina hoe Roro Justin 20 taona, ka nitondra ny posy bisikileta nitsoaka nandositra. Nisy nahatsikaritra izany ka raikitra ny fifanenjehana, ka tratra ihany ilay mpangalatra farany ary raikitra teo ny daroka sy vono. Raha tsorina dia efa nananontanona ny fitsaram-bahoaka, efa teny an-tanan’ny fokonolona ny hazo sy vato ary kodiarana handorana azy fa saingy haingana ny fahatongavan’ ny polisin’ny Fip ka tsy tanteraka ny fitsaram-bahoaka.
Ny polisin’ny Fip izay nanentana ny fokonolona mba tsy hanao fitsaram-bahoaka fa hiantso haingana ny mpitandro filaminana hatrany raha mahita trangan-javatra manahirana toy izao.
Raha iverenana mantsy dia fitaovam-pitanterana tuc-tuc na posiposy bisikileta halatra matetika no ampiasan’ny jiolahy manao ny asa ratsy ao Toamasina.
TH