Webradio

BAZARIKELY ANTSIRANANA : Mitaraina amin’ny fisian’ny ranom-potaka ireo mpivarotra

Tavela fampanginan-jaza ny hanamboarana ny ao anatin’ny bazarikely, araka ny fitarainana nataon’ireo mpivarotra aty Antsiranana, manoloana ny fisian’ny fotaka raha milatsaka ny orana.  30 novembre 2020

Tsiahivina fa nandritra ny fitondran’ny Ben’ny tanàna tamin’ny fotoam-pitondrany teo aloha dia nodradradradraina ny hanamboarana ny ao anatin’ny bazarikely, nitohy tamin’ny nitondrany ankehitriny, dia mbola tsy nanomboka ihany amin’izao fotoam-pahavaratra izao ilay fampanantenana nefa tena mampijaly ny mpivarotra sy ireo mpiantsena ny gôdra na ny fotaka.

Tahaka ny tongo-bakivaky ny ao bazarikely mandritra ny asara, sady maharary no mahamenatra satria toerana ivarotana sakafo dia ambonin’ny fotaka maloto izay ahiana amin’ny aretina vokatry ny loto.

Vao nilatsaka kely ny orana taty Antsiranana ny sabotsy teo dia tsikaritra fa feno rano maloto sy gdra tao bazarikely. Amin’izany dia maharitra andro vitsivitsy vao afaka izany na dia efa mijanona aza ny rotsak’orana. Azo heverina, araka izany, fa efa tsy amin’ity taona ity ny hanamboarana ao anaty bazarikely na dia horakorahina etsy sy eroa aza ny hanatanterahana izany. 

Tamin’ny tsy nahavitana ny asa teo aloha dia nolazaina fa tsy mety hafindra ireo mpivarotra. Ankehitriny efa nanaiky izany ireto farany dia mbola tsy voakitika ihany ka tratran’ny fidiran’ny fotoam-pahavaratra izao. Manaitry ny tompon’andraikitra voakasika mba hanatanteraka ny fanamboarana ao bazarikely.

Mpanjono

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés