Tratra niaraka tamin’ny basy vita tanana ihany koa izy ireo tamin’io fotoana io. Tatitra marim-pototra avy tamin’ny olona tsara sitrapo teny amin’ny manodidina no niaingana nanaovana ny famotorana. Fantatra tamin’izany fa misy andian’olona mpamatsy fitaovam-piadiana an’ireo jiolahy mpanafika eto Antananarivo sy ny manodidina.
Raha vao naheno ny raharaha moa ny Sampana mpikaroka ny heloka bevava eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena Antananarivo dia nidina ifotony, nanokatra ny famotorana lalina teny Namontana. Sarona teny tokoa izy ireo, niaraka tamin’ireo basy poleta vita tanana miisa roa tsy misy laharana. Voaporofo nandritra ny fanadihadiana natao azy ireo fa efa mpamerin-keloka ary niaiky ny heloka vitany izy ireo, ny iray monina eny Manakambahiny, ny iray Tsiadana ary iray eny Madera Namontana.
Manentana ny mponina hatrany moa ny mpitandro filaminana ny amin’ny fanomezam-baovao azy ireo haingana raha sendra misy zavatra mampiahiahy eny anivon’ny fiarahamonina. Isany mampirongatra ny fanafihana mahery vaika eto Antananarivo hatrany mantsy ny fiparitahana fitaovam-piadiana.
Tatianà R.