Ireo mpianatra eny amin’ny Oniversite no tena lasibatra. Hatreto dia tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina « Coronavirus » ao anatin’ny Faritra Diana. Ny herinandro lasa teo iny no tena nihazakazaka ny fihombon’ny aretina izay nampiakatra ho avo roa heny ny antontan’isa ôfisialy mivoaka isan’andro izay maneho ny fivoaran’ity valanaretina ity eto amintsika. Ho an’ny Faritra Diana manokana, raha ny tarehimarika farany dia tafakatra 102 ireo olona voa izay efa manaraka fitsaboana. Ny 85 amin’ireo dia avy ao Antsiranana voalohany avokoa ary ny 59 amin’ireo marary kosa no mpianatra eo anivon’ny Oniversiten’Antsiranana.
Tsy mipetra-potsiny fa manao ny ezaka rehetra hifehezana ny mety ho fihanaky ny « Covid-19 » ao Antsiranana ireo tompon’andraikitra isan-tokony ao Antsiranana. Ny Governoran’ny Faritra Diana dia nilaza afak’omaly tao anatin’ny fanambaràna nataony manoloana ity trangan-javatra misy ao an-toerana fa « ahiana ny mety hiverenan’ny Faritra Diana ao anaty fihibohana indray mandeha raha toa ka mitohy izao ». Ny eo anivon’ny Oniversite ihany koa dia nanamafy ny fiarovana sy ny fepetra rehetra ahazoana misoroka ny aretina. Nambaran’ny filohan’ny Oniversite ao Antsiranana fa nisy ny fivoriana izay nataon’izy ireo niaraka tamin’ny Minisiteran’ny fahasalamana niaraha-nikaro-bahaolana mba hampidinana faran’izay haingana io fiakaran’ny tahan’ny olona tratran’ny « Covid-19 » ao an-toerana io. Ankoatra ny fanamafisana ny fiarovan-tena, hoy izy, dia efa nandraisana fepetra manokana ihany koa ny faritra ny sekoly.
« Ny fepetra noraisina dia nisy ny fivoriana natao niarahana tamin’ny Minisiteran’ ny fahasalamana. Misy ekipan’ny fahasalamana manao fitsirihana haingana ihany koa eo anivon’ny Oniversite. Manomboka amin’ny alatsinainy dia misy fizahana hatao, faharoa ireo tranga mampiahiahy rehetra amin’ny fitiliana natao dia homena fitsaboana ary fahatelo dia misy hetsika fanentanana ary misy ny famendrahana fanafody amin’ny toeram-pianarana », hoy ny fanazavana noentin’ny filohan’ny Oniversite.
Hatramin’izao dia samy manamafy avokoa ireo manam-pahaizana sy Profesora fa tsy misy afa-tsy ny fiarovan-tenan’ny tsirairay amin’ny alalan’ny fampiharana ireo fihetsika fanakanana no ahafahana misoroka ny « Coronavirus ».
Avotra Isaorana