Webradio

FIFIDIANANA LOHOLONA : Voatetin’ny depiote Jocelyne Maxime sy ny ekipany ireo distrika any Antsiranana

Hifarana anio ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana Loholona izay hotanterahina, ny zoma ho avy izao.  10 décembre 2020

Raha  ny any amin’ny Faritanin’Antsiranana no resahana, tsy mandry andro, tsy matory alina ny depiote Jocelyne izay filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena sy ny ekipany  nitety ireo kaominina mandrafitra ny Faritra Diana sy Sava hampandany ny lisitry ny  kandida natolotry ny vondrona Ird izay tarihin’i Mino Seramila sy  Eddie Fernand. Nandresy lahatra ireo mpifidy vaventy ao amin’ny kaominina rehetra nandalovany ny depiote Jocelyne sy ny ekipany. 

Nohazavainy ny maha zava-dehibe ny fifidianana izay hatrehina sy ny antony tokony hisafidianana ny lisitra mitondra ny laharana voalohany izay ahitana ireo kandida natolotry ny Ird. Fifandresen-dahatra no hita nandritra ny fidinana ifotony nataony. Maro araka izany ireo mpifidy vaventy izay ahitana Ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna avy amin’ny fironana samihafa sy mahaleo tena no nanambara ampahibemaso ny fanohanany ny kandida natolotry ny Ird ho tombontsoan’ny kaominina sy ny vahoaka ao anatiny avy.

« Nampanantena zavatra maro tamin’ireo vahoaka nifidy anay izahay. Resy lahatra izahay fa tsy misy afa-tsy ny kandida natolotry ny Ird no afaka hanampy anay amin’izany. Tsy nandiso fanantenana anay hatreto ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Jocelyne Maxime. Inoanay tsara fa azo itokisana ireo kandida natolotry ny Ird ireto izay tohanany mafy. Ao anatin’ny fiaraha-miasa azo antoka sy matotra mantsy  no hahafahana mampandroso ny kaominina tsirairay sy ny  Firenena. Aleonay araka izany manohana ireo kandida izay tsy mampiahiahy, akaiky ny vahoaka ary anananay toky », hoy ny solontenan’ireo mpifidy vaventy tao Antsiranana II. Marihina fa miisa telo ny lisitry ny kandida nilatsa-kofidiana any amin’ny Faritanin’Antsiranana ka ny roa amin’izy ireo mahaleo tena.

A.Lepecheur

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés