Webradio

FILOHA TEO ALOHA RAVALOMANANA MARC : Mitady ny fomba rehetra handotoana saim-bahoaka

Manomboka re matetika indray ankehitriny ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Ireo Solombavambahoaka Tim sy ny rodoben’ny mpanohitra no nampiasainy hanao fanakorontanana tetsy sy teroa teo aloha, izay nahavita nitety Distrika mihitsy.  10 décembre 2020

Nafenina tao anatin’ny fikasana hanao tatitra amin’ny vahoaka ny hetsika fanakorontanana efa nomanina sy azo heverina fa nahazoana baiko avy amin’ity Filoha teo aloha ity. Rehefa nandamoka tanteraka izany, rehefa tsy nahita rariny tamin’izay toerana naleha dia ny Filoha teo aloha indray no mihetsika amin’izao fotoana izao. Raha tsiahivina, nisy ny hetsika nataon’ny antoko Tim, izay notarihan’ingahy Ravalomanana Marc mba hanampiana ireo Malagasy ianjadian’ny hain-tany any Atsimo. 

Hetsika ara-tsôsialy no natao kanefa mbola nibahan-toerana ihany ny famendrofendroana vahoaka. Nolazainy fa tsy mahomby ny fandraisan’andraikitra izay ataon’ny Fitondrana amin’izao fotoana izao, izay te hiteny amin’ireo mponina any Atsimo fa sarisary fanampiana fotsiny ihany no ataon’ny Fanjakana tarihan’ny Filoha Andry Rajoelina. Talohan’io, nitety Faritra ihany koa ny tenany ka nihaona mivantana tamin’ireo tantsaha tao anatin’ny Distrikan’i Soavinandriana iny. Tsy mitsahatra ny famendrofendroana vahoaka. Nilaza indray izy tamin’io fotoana io fa tsy miraharaha tantsaha ny Fanjakana satria tsy mba nisy ny vahaolana mahomby natokana ho an’ireo tantsaha ary mbola nahena ihany koa ny tetibola natokana ho azy ireo ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2021. Tahaka izany ny fomba fiadin’ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc. 

Mamendrofendro vahoaka ary mitady ny fomba rehetra ahazoana ny fon’ny olona mba tsy ho tia Fitondrana ka hanara-dia azy. Mazava anefa fa matoa nibata faharesena tamin’ny fifidianana farany toe iny efa naloam-bahoaka, miandrandra fitantanana hafa mihitsy ny vahoaka Malagasy. Amin’izao fotoana izao mitety tsena indray ity Filoha teo aloha ity. Tsy fantatra izay tanjona tiany kendrena amin’izany fa ny hany azo antoka dia te hiseho mafy izy fa mitsinjo vahoaka. Lazainy fa tsy mangarahara ny fitantanana ny Firenena, indrindra fa ny lafiny fitantanam-bola kanefa raha nisy ny Mpitondra tena tsy nampihatra izay mpangarahara izay dia ny Fitondran’ity Filoha teo aloha ity.

Ny Fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés