Webradio

APDH : “Ny famerenana ny hasin’ny kolontsaina sy ny vakoka no fototry ny fiandrianam-pirenenana”

Nitondra ny heviny mahakasika ny famerenan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny ireo akanjon’ny Mpanjaka Ranavalona III sy ny vakoka maromaro niaraka taminy saika hatao lavanty tao Kerry Taylor, Londres, ny Tale miandraikitra ny fandraisana fitarainana ao Ambohitsirohitra, Richardson Rakotomanana, izay sady mpanao gazety no filoha nasionalin’ny Fikambanana manandratra ny zo aman-kasina maha-olona na APDH. 10 décembre 2020

“Mizotra mankany amin’ny famerenana ny fiandrianam-pirenena amin’ny lafiny rehetra ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny. Mitady ny fomba rehetra hamerenana ny zo aman-kasin’ny maha-malagasy ny Fitondrana. Nareniny ny rova, namboarina ireo vakoka manan-tantara simba, naverina ny tantaram-piandrianan’ny mpanjaka nalaina an-keriny teto nandritra ny 100 taona.  Ny famerenana ny hasin’ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy no iaingan’ny fampandrosoana rehetra”, hoy ny nambarany.

Mpanjakan’i Madagasikara

Tsy mijanona amin’ny famerenana ny fahaleovan-tena ara-kolontsaina isika fa miroso mankany amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, ara-toekarena, hoy koa izy. Nanterin’ity filoha nasionalin’ny APDH ity fa  : “efa miova ny toe-draharaha eto Madagasikara amin’izao fotoana. Tany aloha dia ny vahiny foana no mibaiko antsika amin’izay zavatra rehetra atao. Ankehitriny kosa, isika no mametraka izay tadiavintsika ary mpanatanteraka sisa ny vahiny. Fiaraha-miasa no atao fa tsy ekena intsony ny fiheverana ny Malagasy ho mpanompo vahiny”, araka ny nambarany.  “Ireo mpanjaka nitondra teto Madagasikara ireo dia efa neken’izao tontolo izao ho mpanjakan’i Madagasikara. Ny famerenana ny mombamomba azy ireo lasa any ivelany any dia tena famerenana ny fiandrianam-pirenena. Efa nisy ny tafaverina, irariana sy angatahina ny hamerenana ny sisa. Tsy maintsy mbola mitaky an’ireny vakoka any ivelany ireny isika. Efa fanamby napetraky ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina ny hanao izany ary azo antoka fa hotanteraka izany satria efa nanao dingana izy. Hitohy io ary tsy maintsy hotratrantsika ny tanjona”,  hoy hatrany ny voalaza.

“Voazanaka ara-tsaina…”

Manoloana ny kiana ataon’ny mpanohitra izay milaza fa tsy laharam-pahamehana ny famerenana ireto vakoka manan-tantara ireto, mazava ny hafatra nomen’ity filoha nasionalin’ny APDH ity : “Toa voazanaka ara-tsaina ny Malagasy ka na hita izao aza fa famerenan-kasina sy famerenana ny fiandrianam-pirenena dia mbola ananganana resabe ihany. Ekena misy ny kere, miakatra ny vidim-piainana fa ny hasin’ny Firenena ambonin’ny zava-drehetra. Mila sokafana ny mason-tsaina sy ny masom-panahy fa io no nampivarina ny Firenena,” hoy izy nahitsy fiteny. Marihina fa voninahi-pirenena ny mahakasika ny tantara sy ny vakoka ao aminy. Azo itarafana ny fisandratan’ny Firenena ny fomba fitafin’ny mpanjaka tamin’izany. Sarobidy ireny, heverin’ny sasany ho tsinontsinona saingy tena manan-danja na ho an’ny fianakavian’ny mpanjaka izany na ho an’i Madagasikara iray manontolo. Tranombarotra fanta-daza maneran-tany ny “Kerry Taylor” matoa ity tranom-barotra ity niroso tamin’ny fanaovana lavanty ireo vakoka ireo dia satria fantany fa manana ny hasiny ireo.

Tantaran’ny lavanty natao…

Raha atamberina fohy ny tantara, tamin’ny talata 8 desambra 2020  lasa teo no  nisy lavanty nataon’ny tranon-davanty lehibe «  Kerry  Taylor auctions  » tao Londres. Maro ny zavatra natao lavanty tao tamin’io. Tsy misy idiran’i Madagasikara ny ankamaroany fa ny «  Lot n°51  » kosa no mahakasika ny Mpanjakavavy Ranavalona III sy nanintona antsika Malagasy. “Niady hatramin’ny farany ny Fanjakana malagasy hahazoana azy ireto ary izao azo soa aman-tsara izao”, araka ny fampitam-baovao nataon’ny teo anivon’ny Minisiteran’ny serasera sy ny Kolontsaina.

Inona avy no tanatin’io «  Lot n°51  » io  ?

Tao anatin’io «  Lot n°51  » io dia nisy ilay akanjo tsara tarehin’i Printsesy Ramasindrazana izay nenitoan’ny Mpanjakavavy Ranavalona III no sady mpanolotsaina ara-politikany. Io printsesy io no niara-nonina taminy nandritra ny naha sesitany azy. Misy ihany koa sary maro isan-karazany izay mbola tsy nisy nanana hatreto. Hita niaraka tamin’ireo  koa ny taratasy nifanoratana isan-karazany, «  carte postale  » marobe, ny diarin-dRamatoa Clara Herbert, ny ferapara fiambohon-dRanavalona III ary fitaovana vitsivitsy.
Avy aiza ireo zavatra ireo  ?
Ireo dia zavatra nangonin-dRamatoa Clara Herbert ho fahatsiarovana. I Clara Herbert dia ramatoa avy any Irlande niasa naharitra ho an’i Mpanjakavavy Ranavalona III nandritra ny sesitany manontolo. I Clara Herbert koa dia mahay miteny anglisy, frantsay, malagasy ary mahay teny  sinoa koa. Rehefa niamboho nefa  ny  Mpanjakavavy ny taona 1917 dia mbola nijanona niaraka tamin’ny Printsesy Ramasindrazana i Clara Herbert ary niara-niaina taminy tany amin’i Alpes-Maritimes Frantsa. Rehefa maty kosa ny Printsesy dia niasa tao Nice Frantsa ho ana mpanan-karena italianina i Clara Herbert. Niverina kely tany Ireland izy ary avy eo lasa nandeha nanao misionera protestanta tany Chine. Fahatsiarovana notazomin’i Clara Herbert ireto zavatra ireto ary tsy zavatra nivoaka avy eto Madagasikara fa nampiasain’ny fianakavian’ny Mpanjakavavy nandritra ny sesitany sy ny fandehandehanany rehetra tany ivelany tany.

Naninona no lasa lavanty  ?

Nandritra ity taona 2020 ity, volana vitsivitsy lasa izay dia ny taranaky ny anadahy na rahavavin’i Clara Herbert teo am-pifindrana trano no nahita vata nisy ireto zavatra ireto ary nanapa-kevitra ny hametraka izany ao amin’ny Tranon-davanty Kerry Taylor Auctions. «  Collection privée  » araka izany izy ireto ka izay no nahatonga azy ho lavanty ary tsy nahalala ny fisian’ireo fananana ireo mialoha isika Malagasy.  Tsy mitovy velively amin’ilay  « satro-boninahitry ny tatarom-piandrianana  » izay Fanjakana Frantsay no nitazona azy, ka tsy maintsy “fifanarahana” teo amin’ny Firenena roa tonta  no namerenana azy. Ireto tahirin-kevitra voalaza ireto moa dia ny teo anivon’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina no namokatra azy.

Ezaky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina

Tsy azo odian-tsy hita fa ezaka lehibe avy amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoalina ny nahazoana ireto vakoka manana ny hasiny ireto.  Araka ny nambarany tao amin’ny pejy fesibokiny, nanaraka akaiky ny lavanty natao tany Londres izy tamin’ny talata lasa teo. “Hatrany am-panombohany ka hatrany am-piafarany no nanarahako ireo tombam-bidy sy adivarotra, ary an-kafaliana no izarako eto fa nandray anjara sy nandresy tamin’izany ny Fanjakana Malagasy. Hiverina ho tafody tsy ho ela eto an-tanindrazana haka ny toerany eo anilan’ireo vakoky ny tantarantsika ireo harem-pirenena Malagasy ireo ho an’ny hambom-po sy fiandrianam-pirenena”, hoy ny fanambaràny.

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés