Hetsika fidinana ifotony izay ataony miaraka amin’ireo ekipa mpiara-miasa aminy ao amin’ny minisitera iadidiany nizarana ilay boky kely nandrafetana ny votoatin’ilay lalàna vaovao mifehy ny serasera eto Madagasikara rehefa lany soa aman-tsara teny anivon’ireo andrim-panjakana mpanao lalàna.
Tamin’io fotoana io ihany koa no nohararaotin’ny Minisitra nitondrana fanazavana tamin’ny antsipiriany ireo teboka izay heverina ho niteraka resabe tamin’ny fandaniana ity lalàna ity. Notsindrian-dramatoa Minisitra fa ireo fanovana nitolomana sy notakiana mba hisian’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety tamin’ny Fitondrana teo aloha amin’ny ankapobeny no nolanian’ny fahefana mpanao lalàna. Izany hoe, azo lazaina ho nandresy ny tolona natao.
Nomarihany kosa fa nisy ny fanovana noentin’ireto farany anefa dia ilay andininy milaza fa : « tsy azon’ireo mpanao gazety atao ny mamoaka vaovao anaty fivoriana mikaton-trano ». Nilaza ny Minisitra fa mbola nitoloman’ny Minisiteran’ny serasera teny anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana ary mbola nahazoana fandresena ihany koa.
Avotra Isaorana