Webradio

ANTANIMALANDY MAHAJANGA : Vehivavy lehibe mipetra-drery maty novonoin’ny jiolahy

Vehivavy lehibe iray, mipetra-drery antsoina hoe maman’i Joel no hita faty, ny zoma maraina teo. 60 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao noho ny hetraketraky ny jiolahy.  21 décembre 2020

Araka ny nambaran’ny zanany dia ny alarobia alina, tamin’ny 9 ora tany ho any no niantso an-dreniny izy fa tsy nisy nandray. Rehefa namerina niantso izy ny ampitson’io dia efa tsy maneno intsony ireo findain-dreniny. Niantso koa ny rainy fa tsy nahazo ka lasa nijery tany an-toerana izy ireo ny zoma. Mbola nihidy ny varavarana ka novakiany. Rehefa tafiditra izy dia ny vatana mangatsiakan-dreniny efa niampatra tao an-trano no hitany. 

Nojereny ny trano ka nisy varavarana nisokatra nivoahan’ireo jiolahy. Tombanan’ity zanany ity fa teo am-pijerena fahitalavitra no nisy nanafika ny reniny. Efa tsy teo intsony ny fahitalavitra ary lasa ihany koa ny findain’io vehivavy lehibe io. Niparitaka daholo ny entana tao an-trano, ny lamban’ny maty, hatramin’ny fitoeran-dambany. Notadiavan’ireo olon-dratsy ny vola araka ny tomban’ireo olona tonga teo. Niantso mpitandro filaminana sy BMH ny fianakaviany nizaha ny razana. 

Tamin’ny fomba feno habibiana tokoa ny namonoana ilay ramatoa satria dia nokapohina tamin’ny zava-maranitra ny lohany ka nivoaka hatramin’ny atidohany. Hita ny dian-tongotr’ireo jiolahy niditra sy nivoaka ny trano ary mbola hita tao koa ny tain-tsigaran’izy ireo. Tsy azo ampiasaina anefa izany satria na manana polisy siantifika aza isika dia tsy manana ’base de données’ ahafahana mampitaha ny dian-tanana na ADN hitany amin’ny toerana isian’ny heloka bevava izy ireo. Hatramin’izao izany dia mbola tsy fantatra ny namono ity renim-pianakaviana ity.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés