Saika naratra mafy avokoa ireo olona voakaikitra ireo, eny hatramin’ny zazakely. Isany naratra mafy teo amin’ny tarehiny ihany koa izao ilay zazalahikely manodidina ny efatra taona eo ka manaraka fitsaboana hatreto. Mitaraina fatratra noho izany ireo mponina ao an-toerana noho ny fahamaroan’ireo alika romotra mirenireny eny anivon’ny fiarahamonina, ka mangataka ireo tompon’andraikitra ao an-toerana izy ireo mba hitady vahaolana mahakasika izany.
Mitombo isa hatrany mantsy ireo olona mitondra takaitra ka tokony handraisana fepetra hentitra. Betsaka moa ireo nanome soso-kevitra ny amin’ny tokony hamonoana ireo alika romotra tsy misy hatak’andro mba ho fiarovana ny fahasalaman’ny tsirairay.
Tatianà R.