Webradio

TONTOLON’NY ZAITRA : Mpianatra miisa 250 navoakan’ny Eccova ny faran’ ny herinandro teo

Mihamaro anisa hatrany ankehitriny ireo tanora malagasy liana sy miditra amin’ny tontolon’ny asa tanana, toy  ny zaitra.  21 décembre 2020

Manoloana ny fahatapahan’ny asa teny amin’ireo orinasa afaka haba sy orinasa tsy miankina ihany koa dia betsaka ireo niezaka namorona asa ho an’ny tenany.
Toy ny famoronana lamaody, ohatra, ny fampianarana zaitra ao amin’ny “Eccova “ dia mivonona mandrakariva amin’ny fanosehana ireo tanora te ho matihanina tanteraka  amin’ny sehatry ny zaitra. 

Ny faran’ny herinandro lasa teo, nahatratra 250 mianadahy indray ireo mpianatra navoakan’ity ivon-toeram-panofanana ity. Ny nampiavaka ireto andiany ireto dia noho ny nananany fotoana lava be nahafahany  nianatra tsy  tahaka ny andiany teo aloha, raha ny fanazavana. Karazan-damaody toy ny kiraro, akanjo isan-karazany ary poketra  ankehitriny no voafehin’izy  ireo ary efa afaka miditra amin’ny sehatry ny asa avy hatrany.

Ny faha-04-05 ary 09 Janoary ho avy izao ny fidiran’ireo mpianatra vaovao manaraka ho an’ireo izay liana. Tsiahivina hatrany moa fa mahazo milina fanjairana maimaim-poana  ireo mpiofana mba hahafahany manao fanazaran-tena any an-trano. Araka ny nambaran’ny filoha mpanorina ny Eccova, Volana Razanamanalina hatrany dia  : “ manampy betsaka ny tsirairay ny fanofanana satria na ireo renim-pianakaviana mikarakara tokantrano aza dia afaka  miaina sy mampidi-bola tsara amin’ny tontolon’ny zaitra“.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés