Webradio

FIJALIAN-DRANO : Nitokona ireo mpianatr’Ankatso, mangataka vahaolana maharitra izy ireo

Nitokona nanatanteraka fihetsiketsehana ireo mpianatry ny Oniversite Ankatso, ny sabotsy 19 desambra maraina lasa teo iny.  21 décembre 2020

Ny olan’ny rano izay tsy mbola voavaha ara-dalàna mandraka ankehitriny no antony nampirehitra ny hatezeran’izy ireo ka niray hina nitokona, vory lanona teny amin’ny manodidina nanomboka tamin’ny valo ora maraina.

Nobahanan’ireto farany moa tamin’io fotoana io ireo fiarabe siterna mpitatitra rano tonga namatsy teny an-toerana. Nanamafy izy ireo fa vahaolana maharita ary matotra no tadiavina mba tsy hiverimberenan’ny olana efa matetika loatra ny zava-misy. Tsy eken’izy ireo ary nolaviny tanteraka ny famatsiana rano avy amin’ireo fiarabe satria miteraka fandaniam-potoana fotsiny ihany, hoy hatrany ny fanazavana voaray. 

Mangataka amin’ny tompon’andraikitra mahefa mba hijery akaiky ny raharaha, indrindra fa ny fametrahana vahaolana maharitra. Tonga teny an-toerana moa ny mpitandro filaminana nandamina ireo mpianatra ireo ho fisorohana ny mety ho fikorontanana.

Ankoatra ny teny Ankatso ihany koa dia tsikaritra tamin’ny toerana maro teto an-drenivohitra ny fijalian-drano, ny faran’ny herinandro lasa teo iny. Toy ny eny Itaosy Atsimondrano iny izao, ohatra, dia velon-taraina noho ny fahatapahan-drano maharitra ela ireo tokantrano marobe. Manginy fotsiny ny kalitaon’ny fahadiovan’ny rano ampiasaina tato ho ato izay manopy mavo sahala amin’ny ranom-potaka.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés