Mandroso ny asa fanitarana sy fampanarahana fenitra ny kianja Barea Mahamasina. Ho an’ny fanavaozana ny kianja filalaovana manokana, efa ao anatin’ny fanomanana ny fanambanin’ny kianja amin’izao fotoana izao, mialoha ny hambolena ny bozaka.
Natomboka tamin’ny fametrahana ireo lakan-drano marobe ao ambanin’ny kianja izany, izay hisintona ny ranon’orana mba tsy hahadibo-drano ny kianja intsony ary koa handray ny tambajotran’ireo fantsona marobe hanondraka ny bozaka. Miisa 24 ireo teboka hivoahan’ny fantsona rehefa vita tanteraka ny asa mba hahafahana manondraka ny velaran’ny kianja manontolo.
Mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro
Bozaka natoraly natokana ho an’ny kianja filalaovana baolina kitra eken’ny FIFA ary nohafarana manokana avy any ivelany no hambolena sy hampiasaina ao Mahamasina. Natao hahazaka tsara ny fiovaovan’ny toetry ny andro ary haharitra taona maro. Nohafarana manokana miaraka amin’izany ihany koa ireo fitaovana fikarakarana rehetra ilaina. Nampanarahina fenitra iraisam-pirenena ho lasa 105m x 68m ny haben’ny kianja filalaovana ary tsy maintsy vitaina mialoha ny marsa 2021 izany mba hahafahan’i Madagasikara mandray ny lalao hataon’ny Barea ao anatin’ny fifanintsanana CAN 2021. Natao ny faran’ny herinandro lasa teo moa ny andrana voalohany ho an’ireo fitaovana sy fantsona mahaleo tena hanondraka ny bozaka ireo mba hanamarinana ny tanjaky ny rano.
Fametrahana ireo vy lehibe
Ho an’ireo asa hafa, mandroso ny fametrahana ireo vy lehibe mihodidina ny lamosin’ny “tribune”. Mizotra tsara ihany koa ny asa fampakarana ny “gradins” vaovao izay tsy mifandray velively amin’ireo “gradins” teo aloha ary manana hatramin’ny faran’ny volana febroary 2021 ny orinasa mpanatanteraka hananganana izany. Ankoatra izay, efa mipetraka amin’ny toerany ireo « transformateurs » lehibe hitondra ny herinaratra rehetra hampiasain’ny kianja manontolo izay mahatratra hatramin’ny 2500KVA.
Araka ny tetiandro nifanarahana, hovitaina mialoha ny 26 jona 2021 ny asa manontolo fanavaozana sy fampanarahana fenitra ny kianja Barea. Mitohy hatrany moa ny asa eny an-toerana ary miasa andro aman’alina ny mpiasa na eo aza ny Covid-19.
Ny Ami