Webradio

FILOHAN’NY ANTENIMIERAMPIRENENA : Manameloka ny herisetra sy fanolanana

Notsidrian’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Chrisitine Razanamahasoa, nandritra ny famaranana ny fivoriana ara-potoanan’ny solombavambahoaka, omaly, fa manameloka tanteraka ny herisetra amin’ny endriny rehetra ny tenany ary manameloka ny tranga momba ny fanolanana izay nahazo vahana tato anatin’ny volana vitsivitsy izay.  21 décembre 2020

Manohana ny ezaka ataon’ny vadin’ny Filoham-pirenena amin’ny firotsahany an-tsehatra mivantana kosa izy ary mbola nanentana ny rehetra hiady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina. Araka ny lahateniny, isan’ireo fototra mampirongatra ny fanolanana ny fidorohana zava-mahadomelina ka tokony hatsahatra.

Nanambara koa ity filohana andrim-panjakana ity, fa vonona hatrany ny Antenimierampirenena hiara-hiasa amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny hametrahana izay paikady hanatsarana ny toe-piainan’ny vahoaka malagasy hanoherana ny tsy rariny. Nanteriny fa tsy mitsaha-mifandray amin’ny firenen-kafa ny Antenimierampirenena, amin’ny alalan’ny birao maharitra hikatsahana izay mahasoa. Ankoatra ireo, nankahery sy niarahaba ny solombavambahoaka vehivavy noho ny andraikitra noraisin’izy ireny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena koa ity filohan’ny Antenimierampirenena ity. 

“Fotoana izao isandratan’ny vehivavy sy handraisany ny andraikitra tandrify azy”, hoy ny voalazany.

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés