Webradio

TETIBOLAM-PANJAKANA 2021 : “Matotra ny fiaraha-miasa teo amin’ny Antenimiera roa tonta”

Teboka lehibe nisongadina nandritra ny fivoriana ara-potoana faharoa izay natrehan’ireo Parlemantera ny fandinihana ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2021. 21 décembre 2020

 Samy nandany izany na ny Antenimierampirenena na ny Antenimierandoholona.
Nifarana omaly tamin’ ny fomba ofisialy ny fivoriana ara-potoanan’ ny Antenimierampirenena. Teboka goavana tao anatin’ireo lahadinika natrehin’ireo Solombavambahoaka ny fandinihana sy fandaniana ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2021. Raha tsiahivina, rehefa lany nasiam-panovana teny anivon’ny Antenimierampirenena ity lalàna ity dia nalefa teny anivon’ny Antenimierandoholona indray. Ity farany izay nitondra fanitsiana tamina teboka miisa telo ary namerina izany tamin’ireo Solombavambahoaka indray. 

Rehefa niadian-kevitra teny Tsimbazaza indray dia naverin’izy ireo tamin’ilay endriny efa nandaniana azy hatrany am-boalohany, izany hoe, tsy noraisin’ireo Depiote ny ampahany tamin’ny fanitsiana nataon’ireo Loholona. Lany soa aman-tsara ihany ny lalàna hifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2021. Nilaza any filohan’ny Antenimierampirenena, Christine Razanamahasoa tao anatin’ny lahateniny omaly, fa nisy fiaraha-miasa matotra teo amin’ny Antenimiera roa tonta nahafahana nandany ity volavolan-dalàna ity. “ Tamin’ ity indray mitoraka ity dia lany soa aman-tsara teo anivon’ ny Antenimiera roa tonta ny Lalàna mifehy ny tetibola taona 2021. Eto dia isaorana manokana ny fahamatoran’ ny fiaraha-miasa mahakasika ny roa tonta”, hoy ny filohan’ ny Antenimierampirenena, Christine Razanamahasoa. Nambarany fa maro ny teboka nasiana fanovana tao anatin’ io lalàna io, fa ny misongadina dia ny fanarenana ny tontolo ara-toekarena amin’ ny alalan’ ny fametrahana ho laharam-pahamehana ny famoronana asa. Ankoatra izay ny ezaka entina manatratra ny fahatarana amin’ ny fampandrosoana ny lafiny sosialy ary ny fanamafisana ny hery enti-miatrika amin’ ny lafiny ara-bola amin’ ny alalan’ ny fanetsehana ireo loharanom-bola azo hetsehina. 

Amin’ny ankapobeny dia vita araka ny tokony ho izy avokoa ireo fandaharam-potoana narafitra nandritra ity fivoriana ity. Volavolan-dalàna miisa sivy no lany ary iray kosa nahemotra ho amin’ny fotoana manaraka. “Volavolan-dalàna miisa folo no tonga teto amin’ ny biraon’ ny Antenimierampirenena, ka ny sivy tamin’ ireo no lany soa aman-tsara ary ny iray tamin’ izany no nasiam-panovana. Iray kosa no nahemotra amin’ ny fotoana manaraka”, araka ny fanazavana noentin’ny filohan’ny Antenimierampirenena hatrany.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés