Webradio

FIFIDIANANA LOHOLONA : Hivoaka ôfisialy amin’ny alarobia izao ny vokatra vonjimaika

Mihazakazaka ny fikirakirana ny voka-pifidianana tamin’ny fifidianana Loholona izay natrehina farany teo.  21 décembre 2020

Iray andro monja taorian’ny nahavitan’ny fifidianana dia azo avokoa ny vokatra rehetra manerana ireo biraom-pifidianana manerana ny Nosy. Tsy maintsy miandry ny fitanana an-tsoratra tena izy (Pv orginal) kosa vao azo hirosoana ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny vokatra vonjimaika feno. Ny alarobia izao, raha toa ka tsy misy ny fiovana no hanao fanambaràna ny amin’izay voka-pifidianana mbola tsy ôfisialy izay ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny Céni. 

“ Efa noferana fa ny alarobia 23 desambra ho avy izao amin’ ny folo ora maraina no hanambaràna ny vokatra vonjimaika”, araka ny nambaran’ny mpampaka-tenin’ny Céni, Fano Rakotondrazaka. Izany hoe, telo ambin’ny folo andro taorian’ ny fifidianana Loholona dia hivoaka ny vokatra vonjimaika feno. Nambarany fa ny alarobia lasa teo no tonga tetsy Alarobia ny valopy misy ny vokatra farany izay avy any amin’ ny Faritany Mahajanga. “ Voalazan’ ny lalàna fa fara fahatarany ao anatin’ ny fito andro aorian’ ny andraisana ny vokatra farany no mamoaka ny vokatra vonjimaika ny Céni”, hoy hatrany ny voalaza. 

Marihina fa tsy maintsy manao fanisam-bato ny Céni, miezaka manara-maso izay mety ho fahadisoana ihany koa. Raha ny tomban’ezaka noentin’ireo mpanara-maso ny fifidianana hatreto dia samy niaiky ny rehetra fa nizotra tamim-pilaminana tanteraka iny fifidianana Loholona iny. Ny teo anivon’ny Kmf/Cnoe dia nilaza fa hita taratra ny fisian’ny mangarahara. Tsy nisy ihany koa ny fitarainana voarain’ny Céni ny amin’ ny fisiana endrika tsy fanarahan-dalàna nataon’ ny kandida nialoha, nandritra na taorian’ny nanatanterahana fifidianana.

Raha ny fironana manerana ny Faritany enina hatreto dia ireo kandida avy amin’ny lisitra IRD no mitana ny lohalaharana. Miisa 12 ireo Loholona voafidy handrafitra ny lapa Maitso Anosikely, enina kosa no tendren’ny Filoham-pirenena.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés