Webradio

LITERATIORA : « Tokony hotohanana ny mpanoratra », hoy ny Ny Ela Nihetezana

Rakotoson Bertrand Eudesse na Ny Ela Nihetezana ny anarana entiny manoratra.  21 décembre 2020

Talenta mihitsy fa tsy nianarana satria mbola tany aminy fahazazana, efa tia nanoratra tononkalo ! Izay tena manavanana azy kokoa sy ironan’ny aingam-panahiny, raha ny filazany. Efa namoaka boky iray, niarahana tamin’ny mpanoratra hafa ny lehilahy, ny «  Bitsiky ny ela  » no lohateniny ary tononkalo daholo ny ao anatiny. Manoratra tantara ihany koa fa tsy dia matetika. “Miroborobo ny sehatry ny literatiora, vitsy anefa ny mahatsinjo fa tokony hotohanana ny mpanoratra ka lasa vitsy ireo mahavoaka boky ! Hany ka any amin’ny tambajotra fesiboky no mahazo vahana izy ireny”, araka ny nambarany.

Nanantitra koa ity mpanoratra ity fa tsy misy fepetra momba ny tsipelina manokana any amin’ ireny tambajotran-tserasera ireny. Na izany aza dia mbola maro ireo mpitia, raha ny lafiny tononkalo no resahina. Ny fiaraha-miasa dia misokatra amin’ny rehetra. “Mivantana ho an’ireo haino aman-jery ny hafatra, mba omeo sehatra ny tononkalo. Ho an’ny mpanoratra hafa kosa, isika mpanoratra ihany no matetika mpankafy asa soratra, koa mba tohano ireo zandry vao misandratra”, hoy i Ny Ela Nihetezana.

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés