Webradio

FOTODRAFITRASA : Notokanana ny toeram-pamakiam-boky vaovao etsy Anosy

Notokanana omaly, ny tranombokim-pirenena amin’ny endriny vaovao.  21 décembre 2020

Nitarika ny lanonana teny an-toerana ny Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, notronin’ireo Masoivoho maro nahitana ny an’i Maurice, Algérie, Maroc, Lybie, Chine, Suisse, France, Grande-Bretagne, Iran sy ireo solontenan’ny Masoivoho hafa. 

Miavaka ity tranombokim-pirenena vaovao ity satria ahitana, efitrano famakiam-boky ho an’ny daholobe, efitrano famakiam-boky ara-kajy mirindra ary efitrano famakiam-boky vaovao nampitondraina ny anaran’ny mpanoratra, David Jaomanoro, izay misy tahalan’ny fandalinana sy ny fikarohana miampy tahalan’ireo Firenena samihafa. “Sambany tamin’ny tantara no nisy fampahafantarana sy fanomezana vahana ny tontolon’ny boky, sambany no nisy fanosehana sy fanohanana ny mpanoratra sy mpanonta boky nataon’ny Minisitera. Ezaka lehibe izany ka mila tohizana hatrany”, hoy i Ranoe, solontenan’ny mpanoratra, raha nandray fitenenana nandritra ity hetsika ity.

Tanjon’ny Minisitera moa ny hametrahana ny kolontsain’ny fitiavana boky ho raiki-tampisaka. Tsiahivina fa efa fanamby nataon’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo ny hanarina sy hanavao indray ity tranomboky ity fony vao nitantana ny Minisitera ny tenany ny taona 2019. Tamin’izany fotoana mantsy, trano famakiam-boky antitra, reraka ary tsy nahavaly ny hetahetan’ny mpikaroka sy mpamaky boky no novantanin’ny Minisitra. “Nandritra ny taona maro, tsy nisy fanisana ny boky voatahiry tato amin’ity toerana ity, tsy nisy fanavaozana ny toerana ary efitra roa monja no nahafahana namaky boky. Tsy nanana ny toerana tokony ho azy ny tranombokim-pirenena na dia renin’ny tranomboky rehetra eto Madagasikara aza. An-jorom-bala ny tontolon’ny boky tamin’izany, na ny Minisitera aza nikorontana satria nisy foibem-pitondrana maromaro nisahana asa nitovy”, hoy kosa ny Minisitra nandritra ny fitokanana ity toerana ity.

Dingana lehibe

Ezaka sy dingana lehibe ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny boky ity nataon’ny Minisitera ity. Nanantitra ny Minisitra fa hamily lalana ireo nirona kokoa tamin’ny fampiasana teknolojia vaovao ny fisian’izao ivon-toerana notokanana izao satria sady manaraka ny toetrandro izy ity no azo anovozam-pahalalana koa. “Tato ho ato, nirona tamin’ny fampiasana tambajotran-tserasera ny ankamaroan’ny tanora satria tsy ampy ny fitaovana nanohanana ny hetsika manome vahana ny famakiam-boky teto amintsika. Ankehitriny kosa, ny boky no ezahintsika ampanatonina olona. Efa maro ny hetsika nataon’ny Minisitera hitaomana ny rehetra hamaky boky”, hoy hatrany ny Minisitra.

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés