Webradio

FILAN-KEVITRY NY GOVERNEMANTA : Hasiam-panavaozana ny lalàna mifehy ny kilalao mampiasa vola

Nodinihina nandritra ny filan-kevitry ny Governemanta, ny faran’ny herinandro teo, ny mikasika ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny kilalao mampiasa vola na ny “jeux d’argent” sy ny “jeux de hasard”.  21 décembre 2020

Tafiditra ao anatin’ny fanovana eto amin’ny Firenena izany. Teboka maro no nodinihin’ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta nandritra ity filan-kevitra manokana natao tany an-drenivohitry ny Faritra Vakinankaratra, Antsirabe, ity. Nisongadina indrindra tamin’izany ny fanovana tiana hapetraka eo amin’ny lalàna mifehy ireo karazana lalao ahazoam-bola misy eto Madagasikara na ilay antsoina hoe “jeux de hazard”. 

Efa tamin’ny taona 1971 no nisy io lalàna, io raha ny fanazavana saingy tsapa ankehitriny fa tsy mifanaraka intsony amin’ny toe-java-misy intsony. Efa miha mivoatra tokoa izy ireny, raha tsy hilaza afa-tsy ny amin’ny sehatry ny aterneto. Kendrena ihany koa ny mba hifanarahan’ireo karazan-dalao ireny amin’ny soatoavina malagasy. «  Izany indrindra no mibaiko antsika tsy maintsy hanavao ny lalàna rehetra mifehy ny kilalao rehetra izay mampiasa vola, kanefa atao mifanaraka sy manaja ny soatoavina malagasy  », hoy ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta. 
Tsiahivina fa notanterahina tao Antsirabe ny filan-kevitry ny governemanta tamin’ny sabotsy lasa teo, ho tohin’ny fivoriana fanao isan-kerinandro ao amin’ny Lapan’i Mahazoarivo. Tsy maintsy misy hatrany ny fandinihana ireo raharaha maika mahakasika ny Firenena na dia amin’izao ankatoky ny fety izao aza sy efa hifaranan’ny taona izao.

Nodinihina nandritra izany ireo raharaham-pirenena tsy afa-miandry, izay notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian. Nambaran’ny Praiminisitra fa mbola maro ireo fanavaozana maro isan-karazany tsy maintsy atao eto amin’ny tany sy ny Fanjakana, ary ilàna fandinihana sy famakafakana lalina ary fotoana izany. 

Isan’izany fanovana izany, ohatra, ny mba hisian’ny fandriampahalemana izay laharam-pahamehana tokoa, ny fanavaozana rafitra eo anivon’ny Tafika, toy ny fametrahana ny Etamazaoro telo manampy ny “Etat Major des armées”. Vao tsy ela ihany koa no napetraka ny ZDS na ny «  Zone de Défense et de Sécurité  » ary ireo rafitra isam-paritra na ny «  délégation militaire régionale  ». Manomboka ihany koa ny fametrahana ireo «  bataillons  » maromaro, ka tsy maintsy mila fandinihana izany.

Ny Ami sy Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés