Tsy azo ivalozana izay didy havoakan’ny HCC, anio. Izay fanovana na fanitsiana hoentin’ireo mpikambana eo anivon’ity Fitsarana Avo natao hisahana manokana ny fifidianana ity dia tsy azo kitihina intsony. Andrasana araka izany ny anaran’ireo Senatera vaovao miisa 12 handrafitra indray ny toerana etsy amin’ny Antenimierandoholona, ka handinika sy hamakafaka ireo lalàna hoentina hampandehanana ny raharaham-pirenena.
Miisa 12 ireo nivoaka tamin’ny fifidianana ary miisa enina kosa no hotendren’ny Filoham-pirenena, izay andrasana tsy ho ela ihany koa ny fivoahan’ny anaran’izy enina ireo. Ireto farany izay voalaza fa samy manana ny fahaizany manokana araka ny nanendren’ny Filoham-pirenena azy. Amin’ny ankapobeny efa hita soritra ihany ny mety ho firafitry ny Antenimierandoholona vaovao raha niainga tamin’ny vokatra vonjimaika navoakan’ny Céni.
Ireo lisitry ny Kandida avy amin’ny vovonana IRD no nitana ny lohalaharana saika manerana ny Faritany enina. Voalaza hatreto fa nilamina tsy nisy disadisa iny fifidianana Loholona. Tsy nisy fitarainana na fitoriana voarain’ny Céni mikasika endrika tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fifidianana. Tahaka izany ihany koa ny teo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia tsy naharay fitoriana na iray aza.
Avotra Isaorana