Webradio

ENS AMPEFILOHA : Noravan’ny mpitandro filaminana ireo mpianatra nanao fihetsiketsehana

Ny Alarobia maraina, tamin’ny sivy ora teo ho eo, nilanja sora-baventy ary nidina an-dalambe ireo mpianatra avy ao amin’ny ENS Ampefiloha. Horakoraka sy kiririoka no nanehoan’izy ireo ny fihetsiketsehana nataony teo am-piandohana.  7 janvier 2021

Afaka fotoana vitsy, nitombo isa ny mpianatra. Raikitra ny fandorana kodiarana fiara sy fametrahana barazy. Tapaka hatramin’ny lalana. Tsy navelan’ireo mpianatra nivezivezen’ny fiara intsony teo anoloan’ny ENS sy nanodidina ny toerana nanaovan’izy ireo fihetsiketsehana. Vokany, tsy maintsy nandray andraikitra, nandrava ny hetsika nataon’ny mpianatra tamin’ny alalan’ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana. Nandritra io, nisy ny voasambotra ary nisy koa ny naratra.

Araka ny nambaran’ny filohan’ny mpianatra avy ao amin’ny ENS, tsy mbola misy valiny ny fitakian’izy ireo mahakasika ny fandraisana ny mpianatra ao amin’ity ivon-toeram-panofanana ity ho mpiasam-panjakana ka izay no antony nisian’ny hetsika omaly. Voalaza moa fa efa nisy fifanarahana teo amin’ny ENS sy ny Minisitera tamin’ny taona 2018 saingy tsy tanteraka izany noho ny fiovan’ny mpitantana. “Rava maina foana ny fifanarahana misy na vita fitomboka mena sy nifanarahana izao aza fa hatao lohalaharana ny fandraisana ny mpianatry ny ENS ho mpiasam-panjakana. 

Tsy manakana ny fandraisana mpampianatra FRAM izahay saingy tsy tokony hampitoviana ny olona nanolo-tena tena hampianatra sy ny olona tsy mbola nahazo fiofanana akory kanefa efa mampianatra”, hoy ny filohan’ny mpianatra. Talohan’ity hetsika ity, efa nandefa taratasy sy nanao fanangonan-tsonia ny mpianatra tao amin’ny ENS nahavita fianarana kanefa tsy mbola voaray ho mpiasam-panjakana hamerenana indray handinihana ny momba azy ireo. Nampanantena fifampiresahana ny teo anivon’ny Minisitera tamin’izay, raha ny nambaran’ireto mpianatra ireto hatrany saingy tsy nisy valiny hatramin’izao.


Efa nisy dingana nataon’ny Minisitera

Ankilan’izay, rehefa nanontaniana ny tompon’andraikitry ny serasera teo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena dia nilaza fa efa nisy dingana noraisin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Fitondram-panjakana tokoa hamahana ity olana ity. Voalaza fa efa navoaka tao anaty filan-kevitry ny Minisitra ny hoe : “Hisy fandraisana mpampianatra miisa 7500 ho mpiasam-panjakana ny taona 2020 hitohy ny taona 2021. Tafiditra ao anatin’ny fandraisana mpiasam-panjakana andiany fahafito izy io ary ireo mpianatra ao amin’ny ENS andiany fahaenina (6ème vague) sy ENF tao anaty lisitra nolaniana ampahibemaso ary ireo mpiofana nivoaka tao amin’ny ivon-toeram-panofanana mpianatra na CRINFP no handrafitra izany. 

Hameno azy ireo ihany koa ny ENF izay mbola hisy fandrafetana lisitra ampahibemaso manomboka ny 11 Janoary 2021 izay miainga amin’ny mason-tsivana  : taona nidirana nampianatra sy mari-pahaizana akademika na ara-panabeazana ary latsaky ny 45 taona. Hisy ampahany kosa natokana handrafitra ny lisitry ny mpampianatra mihoatra ny 45 taona ka efa ela nampianarana teny anivon’ny sekolim-panjakana. Raha atao bango tokana, fomba fijery tsy mitovy sy fifampiresahana tsy mifampiako no nahatonga ny fihetsiketsehana omaly iny. Na izany aza, mila manoka-baravarana ihany ny Minisitera mahakasika ity fandraisana mpampianatra avy amin’ny sekoly lehibe toy ny ENS ity. Raha miverimberina ny raharaha tahaka itony dia hotaingenan’ny mpanao politika indray ary tsy hijanona raha tsy korontana.

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés