Raha ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana, olona manodidina ny 218 eo ho eo hatreto no traboina, tsy misy inona na inona azo antenaina intsony satria levon’ny afo tao anatin’ny fotoana fohy ny fananana. Tsy nisy azo nantenaina sy noraisina avokoa ireo kojakojan-tokantrano, vola tahiry sy ireo entana sarobidy nohariana an-taonany maro noho ity tranga ity.
Araka ny fanazavana voaray hatrany dia trano miisa 59 no lasibatry ny afo tamin’io fotoana io. Tao amina tokantrano iray tsy nisy olona fa lasa nandeha any an-tsaha no voalaza fa niantomboka ny afo, hoy ireo nanatri-maso ny raharaha. Mbola manjavozavo tanteraka kosa ny tena marina momba izao fahamaizana izao anefa. Miahiahy rahateo koa ny vahoaka tao an-tanàna fa sao nisy nanao fanahiniana nandoro ireo trano ireo, ka tokony hanaovana fanadihadiana lalina. Miantso ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, indrindra fa ny Ben’ny tanàna ao an-toerana, araka izany, ireto farany mba hijery akaiky izao fahavoazana izao. Mahatsiaro miaina anaty fijaliana loatra ireo mponina.
Tatianà R.