Webradio

TETIKASA TANAMASOANDRO : Voafaritra ato anatin’ny roa taona ho avy ny fampandrosoana goavana

Afaka roa taona monja dia azo faritana sahady ny ho fiovan’i Madagasikara. Hanova endrika tanteraka ny Firenena Malagasy ihany koa eo anatrehan’izao tontolo izao.  7 janvier 2021

Ny ampahany amin’ilay tetikasa goavana “Tanamasoandro” no hovitaina ato anatin’ny roa taona, hoy ny Filoha Andry Rajoelina.

Hiroso tsikelikely amin’ny fanatanterahana ilay tetikasa goavana “Tanasomandro” izay nampanantenain’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina ny Fitondram-panjakana. Tetikasa hanorenana tanàna vaovao hotanterahina eny amin’ny Kaominina Imerintsiatosika. Nandritra ny tafa mivantana nifanaovany tamin’ny vahoaka malagasy, ny alin’ny 31 desambra lasa teo no nampahatsiahivany fa tsy maintsy hovitaina ity tetikasa ity, araka ny fanamby izay efa nataony tamin’ny vahoaka malagasy. Raha tsiahivina, nandritra ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra dia nasehon’ny Filoha tamin’ny alalan’ny horonantsary ny mety ho endrik’izany tanàna vaovao izany. 

Fanamby no nataony tamin’ny vahoaka malagasy ny amin’ny tsy maintsy hahavitana izany satria efa be mponina loatra eto Antananarivo izay mahatonga fahasimban’ny tontolo iainana, fahalotoan’ny rivotra sy ny loto maro isan-karazany. Manoloana izany no nandraisany fanapahan-kevitra fa tsy maintsy hovitaina io tanàna vaovao io na dia tafiditra ao anatin’ireo antsoina hoe, tetikasa lavitr’ezaka aza. Nambarany tamin’ny alakamisy alina teo fa hanomboka tsy ho ela ny asa. Ato anatin’ny roa taona dia no ho vita ny ampahany voalohany. Hanova tanteraka ny tantaran’i Madagasikara ary hanova ny endriky ny Firenena manerana an’i Afrika ny fahavitan’ity fotodrafitrasa ity. Tanàn-dehibe maoderina no haorina izay hahitana biraom-panjakana toy ny Minisitera isan-tokony sy ny maro hafa, ahitana kianja fanaovana fanatanjahan-tena lehibe sy goavana ihany koa ary afaka handray fifaninanana iraisam-pirenena, toeram-piantsenana lehibe, toeram-pivarotana asa tanana lehibe sy ny maro hafa. Tsy kely indrindra amin’ireo fotodrafitrasa hatsangana ny trano fonenana izay hatao manaraka ny toetr’andro tanteraka. 

Afaka roa taona izany dia hisitraka sahady ny rivo-pampandrosoana goavana ny vahoaka malagasy. Ao anatin’ny dimy taona kosa no hifanarahana fa hanatanterahana ny tetikasa iray manontolo. Tsy ny eto Antananarivo ihany fa manerana ny Faritra dia tetikasam-pampandrosoana maro no nampanantenain’ny Filoha fa tsy maintsy hovitaina. Notanisainy tamin’izany, ohatra, ny lalana migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Ny fanatsarana ny tora-pasika ao Toamasina na ny tetikasa “Miami”.

Ny Fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés