Webradio

VALANARETINA COVID-19 : “Mbola tsy tonga eto Madagasikara ilay amin’ny endriny vaovao”

Nitondra fanazavana manoloana ilay tranga niteraka fikorontanana tao Mahajanga ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.  7 janvier 2021

Niely ny tsaho fa ilay Covid-19 amin’ny endriny vaovao ity mirongatra sy mahavoa olona ao an-drenivohitry ny Faritra Boeny ity. Nahitsy ny teo anivon’ny Minisitera raha nilaza fa mbola tsy tonga eto Madagasikara velively ity valanaretina Covid-19 amin’ny endriny vaovao ity, izay mahery kokoa noho ny fisehon’ilay Covid-19, izay efa nandripaka olona maro maneran-tany.

Tsy azo eritreretina ihany koa ny hahatongavan’izany eto an-toerana satria mbola mitohy hatrany ny fahamailoan’ny Fitondram-panjakana malagasy amin’ny alalan’ny fanakatonana ny sisin-tany. “Ilay Covid-19 amin’ny endriny vaovao io dia mbola tsy tonga eto Madagasikara. Mbola tsy misy an’izany eto amintsika. Izay indrindra no mboka itazonana ny tsy fisokafan’ny sisin-tany”, hoy ny fanazavana avy amin’ny tale misahana ny andrimaso ny fivoaran’ny tsimokaretina eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Faritra maro no mbola ahitana ny trangan’aretina Coronavirus eto Madagasikara saingy tsy azo lazaina ho betsaka intsony izany, raha ny fanazavany hatrany. Na ny vaovao izay niteraka resabe tao Mahajanga aza, hoy izy, dia olona valo ihany hatreto no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina. Nanamafy ihany koa ity tompon’andraikitra eo anivon’ny Minisitera ity fa azo lazaina ho voafehy ny valanaretina hatreto ary tsy hisy velively izany mety ho fiverenana amin’ny fihibohana andiany faharoa eto Madagasikara izany.

Tsy misy afa-tsy ny fanarahana an’ireo fepetra ara-pahasalamana, toy ny fanaovana aro vava sy orona sy ny fanasana tanana matetika amin’ny savony ihany no fepetra ahafahana misoroka ity aretina ity na ilay amin’ny endriny vaovao aza. Ny Fanjakana rahateo dia mandray ny andraikiny manoloana ny fahatongavan’ireo mpiray tanindrazana avy any ivelany ; izy ireo izay tsy maintsy mihiboka mandritra ny 48 ora aorian’ny fahatongavany eto Madagasikara. Izay ahitana ny tsimok’aretina kosa avy hatrany dia alefa amin’ny toerana voatokana.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés