Araka izany dia nanao fanambaràna ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena aty an-toerana, nampitandrina ireo mpitondra môtô amin’ny fandehanana mafy.
Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny Polisy aty Antsiranana dia ahitana andiana tanora vitsivitsy eto an-toerana manana fihetsika amin’ny fandehanana mafy rehefa mitondra môtô eto an-tampon-tanàna. Efa fantatra ireto farany ka tokony hitandrina mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Araka izany dia handray fepetra ny Polisy manoloana izany raha mbola hitohy.
Raha ireo trangana lozam-pifamoivoizana nitranga ireo no resahina dia saika nifandona tamin’ny kodiaran-telo na bajaj ihany. Tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo dia mpitondra môtô iray, 26 taona no maty tsy tra-drano. Fandehanana mafy, tsy fanajana fijanonana no nahatonga ny loza ka nifandona tamina bajaj nipitika tamin’ny sisin-dalana ary ny lohany no latsaka aloha izay nitarika ny fahafatesany, araka ny fitantaran’ireo olona nanatri-maso. Teo amin’ny lalana Roi Tsimiaro mifanapaka amin’ny avenue Philibert Tsiranana no nisehoan’izany.
Ankoatra izany dia mpitondra môtô iray 32 taona no tapa-tongotra raha nifandona tamin’ny bajaj iray, ny alatsinainy teo, mbola taty Antsiranana ihany no nisehoan’ny tranga. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia samy nandeha mafy ny an-daniny sy an-kilany ary tsy nisy nifandefitra. Tao amin’ny lalana Ambalavola no nisehoan’izany.
Tsikaritra araka izany fa mateti-pitranga ny lozam-pifamoivoizana ateraky mpitondra ny bajaj sy môtô aty Antsiranana. Ankoatra ny fandehanana mafy dia ny tsy fanajana fijanonana amin’ireo lalana tsy ahitana takelaka manamarika izany no mahatonga ny loza, indrindra koa ny tsy fananana fandeferana amin’ny samy mpamily.
Lahy tokana ny aina ka ilaina fitandremana hatrany ny fampiasana môtô ary efa tavela fomba fiteny ny hoe : "carrosserie vatana" ny mpitondra môtô.
Mpanjono