Hetsika hanasongadinana sy hanomezan-danja ny haihaingo eto Madagasikara izy ity ary iantsoana ireo rehetra misehatra amin’izany. Haseho mandritra ity hetsika “Mihamy Mada Fashion” ity koa ny famoronana lamaody izay mifototra amin’ny soatoavina malagasy manao hoe : “Ny soa fianatra”. Tanjon’ny Minisitera amin’ny fikarakarana ity hetsika ity ny hisarihana ny mpiara-belona rehetra hanjifa ny vita malagasy izay foronina sy vokarina eto Madagasikara.
Afaka mandray anjara amin’ity hetsika ity avokoa ireo rehetra monina eto Madagasikara, ka mamokatra asa vita malagasy sy mitondra hevi-baovao ho amin’ny fampandrosoana ireo famoronana eo amin’ny sehatry ny haihaingo na ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny lamaody toy ny taovolo, taokiraro, taofiravaka, haihary, haihatsarana, haizaitra, haisaripika ara-damaody sy ireo maro hafa heverina ho talenta manome vahana ny vita malagasy.
Ho an’ireo liana sy misehatra amin’izany, olona iray ihany no soratana ao anatin’ny antontan-taratasin’ny mpandray anjara ary atao misongadina amin’ny famoronana atao ny fanandratana ny hakanton’ny vita malagasy. Efa nisokatra nanomboka tamin’ny alatsinainy 04 janoary 2021 lasa teo ny fametrahana ny antontan-taratasy ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 22 janoary 2021. Azo sintonina ao amin’ny tranonkala na ao amin’ny pejy fesibokin’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina na koa alaina mivantana any amin’ny foibem-paritry ny Minisitera ny antontan-taratasy fenoina ho an’ireo mpandray anjara.
Marihina fa andiany faharoa ity hotanterahina etsy Mahamasina ity. Ny andiany voalohany kosa dia notontosaina ny sabotsy 15 Febroary 2020 tamin’ny taon-dasa, tao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina Mahamasina.
Ny Ami