Webradio

FIANARANA KABARY-NY AMPINGA : “Mihamaro an’isa hatrany ny vehivavy mikabary….”

Anisan’ireo sehatra ironan’ny vehivavy malagasy ankehitriny ny fianarana kabary.  7 janvier 2021

Manaporofo izany ny fitomboan’ny isan’izy ireo mandranto fahaizana amam-pahalalana eny amin’ireny toerana na fikambanana maro samihafa natokana hampianarana izany. Iray amin’ireo fikambanana misy eto amintsika, ka mampianatra ity kolontsaina maha-malagasy ity ny fikambanana “Ny Ampinga” izay manana ny foiben-toerany eny Antanjombe Ambohimanarina. 

Ny fikambanana izay nijoro efa folo taona lasa dia manana ny filamatra manao hoe : “Hampandroso hatrany ifotony ny Teny sy ny Soatoavina Malagasy”. Araka ny fanazavan’ny filoha mpanorina ny fikambanana “Ny Ampinga”, Manampisoatoavina Mitahiry Fahendrena : «  mihamitombo hatrany ny isan’ireo vehivavy mianatra kabary eto Madagasikara amin’izao fotoana izao  ».

Tamin’ny fanandratan’ny fikambanana ny “andiany Tafika” indray mihira faha-12, ny alahady 27 desambra 2020 teny Analamahitsy dia nahatratra 200 mianadahy mianaka ny isan’izy ireo. Laharam-pahamehana ho azy ireo ny fanandratana ny maha malagasy amin’ny alalan’ny fianarana kabary. Ireto mpikabary nanaraka fiofanana tao amin’ny fikambanana Ampinga ireto dia nianatra ireo sokajin-kabary rehetra ilaina eo amin’ny fiainana andavanandro. 

Anisan’izany ny kabary an-kafaliana sy ny kabary an-karatsiana. Ireo mpianatra avy amin’ireo toerana efatra (LTP Alarobia, ANS Ampefiloha, Lycée Privé Fanoellie Imerinafovoany, Lycée Privé Anglican Saint Jean Ambohimangakely) fampianaran’ny fikambanana Ny Ampinga ny kabary ireto nasandratra ireto.

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés