Webradio

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA TENY MAHAZO : Polisy nandeha môtô maty nohitsahin’ny kamiao

Omaly zoma maraina 08 janoary 2021, nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny Mahazo, manakaiky ny fiangonana Advantista iny.  11 janvier 2021

Araka ny loharanom-baovao voaray dia polisy nandeha môtô no niharan-doza tamin’io fotoana io, ka raha ny tatitra voaray farany, omaly teo am-panoratana ny lahatsoratra dia namoy ny ainy ity farany. Araka ny voalazan’ireo nanatri-maso ity tranga ity tany an-toerana dia saika hisongona kamiao be teo alohany io polisy io no nianjera tampoka, hany ka voahitsaky ny kodiarana havian’ilay kamiao aoriana ary naratra mafy, nandriaka ny ra. 

Marihina fa efa tsy nahatsiaro tena intsony izy tamin’izany, hoy ireo nahita maso ny tranga. Avy hatrany dia nifamonjena haingana noentina tany amin’ny Hopitaly Soavinandriana ity farany saingy tsy tana intsony ny ainy, raha ny fanazavana ihany.
Misesilany ny lozam-piarakodia, indrindra ho an’ireo mpitondra ny kodiaran-droa ka tokony ho mailo ny rehetra. Mila fitandremana betsaka avy amin’ny tsirairay ny fisorohana ny loza fa lahitokana ny aina.

Raha ny angom-baovao voaray hatrany dia nisehoana lozam-pifamoivoizana tany amin’ny lalam-pirenena fahafito iny, omaly. Fiara mpitatitra legioma avy any Antsirabe hiakatra eto an-drenivohitra no fantatra fa niharan-doza raha nifandona tamina kamiao mpitatitra fasika, tsy nahatsiaro tena koa ny mpamily noho io loza io ary mbola eny amin’ny Hopitaly. Hatreto dia andrasana ny fanampim-baovao mahakasika izany.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés