Webradio

FANDRANGITANA ADIM-POKO : Mety hiafara amin’ny fanenjehana lehilahy iray any Mayotte

Resaka feno fankahalana, fandrangitana adim-poko, izay no nivohitra tao amin’ny horonantsary navoakan’ny lehilahy iray izay miantso ny tenany hoe Somahili B. monina any Mayotte tao amin’ny pejy fesibokiny.  11 janvier 2021

Tsy vitan’izany fa maniratsira ny solombavambahoaka voafidy tao Antsiranana i Somahili ary tsy ankasitrahany, hoy izy, ny fanampiana ireo Ray aman-dreny sahirana ataon’ity olom-boafidy. “

Tsy asany izany, hoy izy”.

Manameloka ny resaka nataon’ity lehilahy ity  ny vahoaka any Antsiranana izay lazainy fa dondrona satria mankasitraka ny Fitondrana misy ankehitriny ary nifidy ny solombavambahoaka Jocelyne Maxime. Tsy zakany ny mahita ny hetsika sosialy ataon’ity depiote ity ka miafara amin’ny fanendrikendrehana azy. Tsy nisalasala i Somahili tamin’ny fanambaràna nataony nanentana ny mponina any Antsiranana mba hifidy an’ny kandida iray mpifaninana tamin’ny kandida natolotry ny IRD tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo fa tsy lany. Pao-droa ny IRD  tao amin’ny distrikan’Antsiranana. Na izany na tsy izany, miharihary tsara  fa tsy maharaka ny vaovao politika ary nijanona 20 taona taty aoriana ny fomba fijerin’ ity ranamana antsoina hoe Somahili ity  satria tsy fantany aza fa efa novaina ho kianja manara-penitra ny «  terrain Mitabe  » lazainy fa tsy nisy fanamboarana hatramin’izay  anatin’ny horonantsariny ary tsy fotoanan’ny fampielezan-kevitra izao ka  anentanany ny mponina hifidy ny kandida tohanany. Fa ny tena nanamelohan’ny mpanara-baovao  an’ity lehilahy ity dia  ny fandrangitana ny vahoakan’Antsiranana hiroso amin’ny adim-poko. 

«  Tsy azo ekena ny fandrangitana adim-poko sy ny faniratsirana olom-boafidy ataon’ity lehilahy ity. Efa nilaozan’ny toetr’andro izany. Tokony handraisana fepetra henjana ary hampiharina amin’ity lehilahy ity  ny lalàna. Fa iza moa izy ka ho sahy milaza fa tsy matahotra na iza na iza  ? Ary  raha sanatria ka misy tokoa manakarama ity lehilahy ity haniratsira ny olom-boafidy sy handrangitra adim-poko aty Antsiranana dia tokony hosaziana miaraka  », hoy ny raimandreny iray mpikambana ao amin’ny fiarahamonim-pirenena any an-toerana.

Tsy faly ireo mpanohitra

Tsy tongatonga ho azy izao rehetra izao fa ny mpanohitra no ao ambadika. Iza tokoa moa no tsy mahafantatra fa tsy faly amin’ny ezaka ataon’ny Fitondrana misy ankehitriny amin’ny fampandrosoana ny Firenena ny mpanohitra ka miezaka mamboly korontana. Be ny ezaka efa vitan’ny depiote Jocelyne Maxime izay sady sekretera nasionalin’ ny antoko Tgv Mapar any amin’ny tapany avaratry ny Nosy iny,  ka tsy mahafaly ny mpanohitra any an-toerana. Tsara ho fantatr’ingahy Somahili fa tsy nisy nanao asa soa nihoatra ny vitan’ny depiote Jocelyne Maxime any Antsiranana ary amin’ny fo feno fitiavana fa tsy fihatsarambelatsihy ohatra ny an’ny sasany no anaovany izany rehetra izany. Izay indrindra no mampiavaka an’ny depiote Jocelyne Maxime amin’ny mpanao politika sasany. Olon’Andriamanitra, tsy manavaka fiaviana, razana, finoana ary saranga ny tenany. Inona no maharatsy ny fanamboarana trano ataon’ity olom-boafidy ho an’ireo Raiamandreny sahirana ao Antsiranana  ? 

Ary tsy izy ireo ihany no nisitraka fanampiana avy tamin’ny depiote Jocelyne Maxime tao an-toerana. Tsy azo tanisaina ny asa soa nataony ka mety izay angamba no manahirana ny mpanohitra any an-toerana ka tsy mahita fomba hafa hisakanana an’i Jocelyne Maxime raha tsy fanaratsiana olona. Tsy adala akory ny vahoakan’Antsiranana nifidy azy fa mahatsapa ny ezaka vitany. Tsy nahomby ny fanakorontanana nataon’ireo mpianatra sasany tao an-toerana, izao indray fandrangitana adim-poko no ataon’ireo mpanohitra tsy maty voalavo an-kibo. 

Voatonona foana tao amin’ny horonantsary ny anaran’ilay kandida tsy lany nifaninana tamin’ny kandida natolotry ny Ird ka mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao maro any Antsiranana.  Araka ny loharanom-baovao, efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana any an-toerana ny raharaha. ... (Mbola hitohy)

Ny Fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés