Webradio

FILOHA ANDRY RAJOELINA : Nahazo ny anjarany mpanodina voankazo sy mpanarato

Tanteraka ny fanamby napetraky ny Filoha Andry Rajoelina tao amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany.  12 janvier 2021

Samy nahazo ny anjarany avy tamin’ny Filoham-pirenena avokoa na ireo mpisehatra amin’ny fanodinana voankazo sy ireo mpanarato. Tontosa tao amin’ny biraon’ny Antenimieran’ny varotra tao Manakara, faritra Vatovavy Fitovinany, ny fanomezana fanampiana ara-pitaovana ho an’ireo kaoperativa misehatra amin’ny fanodinana voankazo ao amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany. Tsy hadino ihany koa ny namatsy fitaovana ho an’ireo mpanarato mba hahafahan’izy ireo manatsara sy mampitombo ny haza an-dranomasina azon’izy ireo. 

Izao hetsika izao no natao dia mba hanatratrarana ny tanjona napetraky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary koa ny fanatanterahana ny veliranon’ny Filoha. Izany hoe fanohanana ireo orinasa madinika manjifa ny vokatra vita eto an-toerana izay miteraka asa ho an’ny tsy an’asa.

Marihina, fa fiaraha-miasan’ny Antenimieran’ny varotra Manakara sy ny programa “Prosperer” izao fahazoana fitaovana tamin’ny Filoha Andry Rajoelina izao. Ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra Fitovinany Ramanankavana Christian sy ny Prosperer no mpiara-miombon’antoka tamin’izao hetsika izao.

Sitraka r

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés