Nilaza izy ireo fa ho mafy ary hiova tsy toy ny tamin’ny taon-dasa ny fanoherana hoentin’izy ireo maneho ny tsy fankasitrahana ny Fitondrana ankehitriny.
Mazava ho azy fa ny tsy hampilamina ny firenena no tena kendren’izy ireo mba tsy ahafahan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny, izay tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina manatanteraka an’ireo vinam - pampandrosoana marobe ho an’ny vahoaka sy ny firenena.
Satria raha ho vita tanteraka izay fanamby nataon’ny Filoha tamin’ny vahoaka dia tsy azo hiodivirana ny mbola hahalany fanindroany ny antoko Tgv amin’ny fifidianana manaraka eo, ka hitohizan’ny fe-potoam-piasany ho amin’ny dimy taona manaraka indray. Izany indrindra no tena tsy levon’ny vavonin’ireo mpanohitra, izay mikasa ny handrombaka fitondrana an-keriny. Ireto farany izay mitady ny fomba rehetra mba tsy hahamarin-toerana ny fitondrana izay mikendry ny hamboly korontana hatrany. Araka ny fantatra dia hanova paikady hoentina maneho ny tsy fankasitrahana ny Fitondram- panjakana ankehitriny ny RMDM.
Hisy ny fandaharana iombonana hiarahan’ny onjam-peo maromaro indray mandefa na ilay antsoina hoe “miara-manonja” hataon’ireo mpanohitra. Ao anatin’io fandaharana io no voalazan’izy ireo fa hitsikerana izay rehetra tsy mety hataon’ny Fitondrana. Nilaza ny mpitondra tenin’ny RMDM fa hiezaka ny hanamarin-toerana ny mpanohitra eto Madagasikara izy ireo. Milaza ny hanomana sahady ny fifamindram-pahefana ihany koa izy ireo.
Voalaza ho efa nanomboka ny 8 janoary lasa teo io fandaharana miara-manonja hataon’ny mpanohitra ity. Lazaina ho mifototra amin’ny famakafakana ny raharaham-pirenena kanefa familiana ny saim-bahoaka mba tsy hanana fijery miabo eo anatrehan’ireo ezaka sy asa fampandrosoana imasoan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny.
Ny Fanoratana