Nahatratra 442 ny isan’ny marary vaovao ary enina no namoy ny ainy lavon’ny aretina. Nahatratra 321 kosa ny isan’ny sitrana nanerana ny Nosy anefa.
Raha ny antontan’isa isam-paritra, mbola ny Faritra Analamanga hatrany no ahitana taha ambony indrindra satria mahatratra 252 izany, manaraka azy ny Faritra Matsiatra Ambony ahitana marary 60, Atsinanana 55, Vakinankaratra 12, Atsimo Andrefana 11, 06 Boeny, telo avy ny ao amin’ny Faritra Analanjirofo sy Vatovavy Fitovinany ary roa tao amin’ny Faritra Sava. Nisy marary avy any ivelany iray ihany koa voamarina fa mitondra ny tsimokaretina covid-19.
Ny telo tamin’ireo namoy ny ainy dia avy eto amin’ny Faritra Analamanga avokoa, roa avy any amin’ny Faritra Vakinankaratra ary iray avy any Matsiatra Ambony. Olona 2968 no nanaovana fitiliana nahazoana ireo antontan’isa vaovao ireo. Hatramin’ny nahatafidiran’ity valanaretina ity teto Madagasikara izany, tafakatra 18 743 ny isan’ny olona efa nolalovan’ity valanaretina ity. 17 930 no sitrana soa aman-tsara ary 279 kosa no namoy ny ainy. Efa mananika any amin’ny 108 310 kosa ny isan’ny olona vita fitiliana manerana ny Nosy.
Entanina hatrany ny rehetra hitandrina sy hiaro tena.
Tsy mbola foana ary misoko mangina eto amintsika ity aretina ity. Ny fitandremana sy ny fiarovan-tenan’ny tsirairay no antoka mampahomby ny tsy hisian’ny andiany faharoa.
Ny Ami