Webradio

ANATIHAZO-ISOTRY : Tovolahy 18 taona nanolana an-jandriny vavy 06 taona voasambotra

Mahazo vahana tanteraka hatrany ny herisetra ara-nofo eny anivon’ny fiarahamonina ankehitriny.  25 janvier 2021

Ny faran’ny herinandro teo, nahazo fitarainana indray ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona. Renibe iray manan-jafikely vehivavy 6 taona no nanazava fa nisy ranon’aina teo amin’ny lamba firakotry ny zafikeliny. Natahotra mafy ity farany sao nisy nanolana ilay zazavavy kely, ka nanatona avy hatrany ny Polisy mba hijery ny raharaha. Nanao famotorana avy hatrany ny Polisy. 

Nilaza tokoa moa ilay zazavavikely fa ny zokiny lahy ihany no nanolana azy. Nosamborina teny Anatihazo Isotry, araka izany, ilay tovolahy 18 taona zokiny ity ary tsy afaka nandà fa niaiky ny voalazan’ilay zaza. Fantatra nandritra ny fanadihadiana natao ilay tovolahy ihany moa fa efa fanaony matetika izao toe-javatra izao. Efa natolotra ny Fampanoavana ny raharaha.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés