Webradio

ASAN-JIOLAHY ETO AN-DRENIVOHITRA : Mpanendaka miisa 06 sy mpifoka rongony roa saron’ny Polisy

Manao tohivakana ny fanenjehan’ny mpitandro filaminana eto an-drenivohitra sy ny manodidina ireo olon-dratsy mpanendaka sy mpivarotra rongony.  25 janvier 2021

Ny faran’ny herinandro lasa teo iny dia nahitam-bokany indray izany raha ny loharanom-baovao voaray avy amin’izy  ireo. 

Lehilahy miisa 04 no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP4 Isotry teny amin’ny manodidina ny Tetezan’i Bekiraro, ny zoma faha-22 janoary 2021. Noho ny asa ratsy fanendahana olona no antony nisamborana azy ireo. Ny zoma teo, tokony ho tamin’ny 03 ora sy sasany tolakandro no nahasamborana azy efa-dahy ireo ary Polisy nanao fanamiana sivily no nahazo izao vokatra izao. Marihina fa mbola teo am-panaovana ny asa ratsiny ireto farany no tra-tehaky ny Polisy ka dia tsy afa-nandositra intsony. Nentina namonjy ny CSP4 Isotry avy hatrany izy efa-dahy mba hanaovana fanadihadiana.


Tovolahy tsy ampy taona tratra nanendaka

Tovolahy iray vao 16 taona monja koa no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP4 Isotry, teny amin’ny manodidina ny EPP Ambodin’Isotry, ny alahady faha-24 janoary 2021 teo, raha mbola teo am-panendahana. Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, no nanaovan’ity tovolahy ity ny asa ratsiny. Olona iray sendra nandalo no narahiny avy ao aoriana ary nosintominy ny entana teny aminy. Tsikaritry ny Polisy niasa tsy lavitra teo anefa izany fihetsiny izany ka dia noraisim-potsiny ity olon-dratsy. Nentina namonjy ny CSP4 Isotry izy nanaovana fanadihadiana. Noho izy mbola tsy ampy taona kosa dia natolotra ny sampan-draharahan’ny Polisim-pirenena misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalàna ny fanohizana ny fanadihadiana. Tonga nametraka fitoriana mahakasika ny nanjo azy ihany koa ilay voaendaka. Mbola mitohy ny fanadihadiana azy.

Ankoatra izay dia jiolahy mpanendaka efa mpamerin-keloka iray, fantatra amin’ny anarana hoe Mahagaga no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP1 Analakely, ny zoma faha-22 janoary 2021 teo ihany rehefa avy nanendaka zokiolona mivady. Voasambotra indray i Mahagaga, lehilahy 23 taona efa fanta-daza loatra amin’ny resaka endaka sy sinto-mahery eny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina iny. Ny zoma faha-22 janoary 2021 teo, tokony ho tamin’ny 02 ora tolakandro no nanendaka mpivady efa nahazo taona teo Ambohijatovo ity lehilahy ity. Nosintoniny tamin’izany ny vangovango teny an-tanan’ilay ramatoa 67 taona. 
Raha nahita izany ny rangahy vadiny, izay efa 73 taona dia nirotsaka an-tsehatra nitazona an’i Mahagaga saingy noho ny hery tsy mitovy dia tafaporitsaka ity olon-dratsy. Niantso vonjy izy mivady, ka Polisy avy ao amin’ny CSP1 niasa nanodidina teo no nanenjika sy nisambotra an’ilay olon-dratsy teo Andohan’Analakely. Nentina nanaovana fanadihadiana teo anivon’ny CSP1 Analakely avy hatrany ity voasambotra ary natolotra ny Fampanoavana ny sabotsy faha-23 janoary 2021 teo.

Lehilahy 02 tratra nifoka sy nivarotra rongony

Ankoatra ireo mpanendaka tra-tehaka dia lehilahy miisa 02 koa no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP2 Ambohijatovo, ny talata faha 19 janoary 2021 lasa teo. Ny fifohana sy fivarotana rongony indray no antony nisamborana azy ireo. Manoloana ny ady iombonana amin’ny fifohana sy ny fivarotana zava-mahadomelina dia tsy mikely soroka hatrany ny Polisim-pirenena manatanteraka hetsika manokana entina misamborana ireo minia mandika lalàna. Nahitam-bokany izany satria ireto lehilahy miisa 02 ireto no voasambotra teny amin’ny faritra Manakambahiny. Taorian’ny fanadihadiana natao azy ireo dia natolotra ny Fampanoavana ny raharaha, ka ny iray naiditra am-ponja vonjimaika, fa ny iray kosa nahazo fahafahana vonjimaika.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés