Webradio

FIANGONANA SY NY FANJAKANA : Ho azo tanterahina eto Madagasikara ny fandidiana famindrana voa

"Rehefa manao zavatra ao anatin’ny finoana dia tanteraka foana na inona na inona sakana.... ", hoy ny Filoha Andry Rajoelina, raha nandray fitenenana izy nandritra ny fanatrehany ny Fankalazana ny Eokaristia tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo.  25 janvier 2021

Notohizany hoe  : «  ny EKAR dia anisan’ny mandray anjara lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny Firenena satria mitondra vahoaka, miahy vahoaka, mitsabo vahoaka ary manabe sy mpampianatra  ».

Vonona hatrany hifanome tanana amin’ny Fiangonana ny Fanjakana amin’ny fametrahana ireo fotodrafitrasa hanampy amin’ny fampivoarana ny maha-olona. Nanokana andro iray manontolo ny Filoha Andry Rajoelina, niarahana tamin’ny Kardinalin’i Madagasikara, Son Eminence Mgr. Désiré Tsarahazana sady Arsevekan’i Toamasina, ny Nonce Apostolika Mgr. Paolo Rocco Gualtieri sy ny sekreteran’ny Nonciature ary ireo Eveka 3 mandrafitra ny Arsidiosezin’Atsinanana ; nitokanana ireo fotodrafitrasan’ny Fiangonana Katolika efa vita sy ny fametrahana ny vatofehizoro ho an’ireo fotodrafitrasa vao hotanterahina. Nisantarana izany ny fitsofan-drano ny «  Grand séminaire philosophique  » - 

Seminera zokiny tao Analamalotra. Hirefy 2175 m2 ny velaran’ny fotodrafitrasa. Hahazaka mpiofana 120 ny trano fatoriana ao an-toerana. Hanara-penitra ny fotodrafitrasa. Ankoatra ny toeram-piofanana hisy toerana fialamboly, fitsaboana sy fisakafoana ihany koa ny toerana. Nanatrika ny fitsofan-drano ny «  Maison des Soeurs  » toerana izay hitoeran’ireo Masera Relijozy hanampy amin’ny fitsaboana amin’ny ivon-toeram-pahasalamana ao Betainomby Toamasina ihany koa ny Filoham-pirenena. Notokanana ny faran’ny herinandro teo ihany koa io ivon-toerana io.

Hôpitaly katolika HCM «   Le bon Samaritain  »

Taorian’izany, niroso tamin’ny fitsofan-drano ny fototry ny akany «  Foyer Filles- Mères  » tao Betainomby ihany koa ny Filoham-pirenena sy ireo tompon’andraikitry ny Fiangonana Katolika. Toerana handraisana ireo zazavavy mitondra vohoka aloha loatra sy ireo reny sahirana ailiky ny fiarahamonina ity akany ity. Fitokanana izay notanterahina nialoha ny fametrahana ny vatofehizoro voalohany manamarika ny fananganana ny Hopitaly katolika voalohany eto Madagasikara – Hôpital Catholique de Madagascar - HCM «   Le bon Samaritain  »  Hiantoka ny fanamboarana ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana ny Hopitaly ny Fitondram-panjakana. Haorina amin’ny velaran-tany 1. 468. 73 m2 ny fotodrafitrasa. Hisy rihana roa ny hopitaly. Hisy sampan-draharaha maro samihafa ny toy ny fitantanana, «  services médicaux  », «  services Imageries  », «  Chirurgicaux  », «  Biologiques  », «  Rééducation  », «  services d’Urgences  » sy «  Restauration  ».

Fandidiana famindrana voa

Hitondra fampitaovana raitra ho an’ny hopitaly koa ny Fanjakana toy ny «  radiologie numérique  » sy «  scanner  » araka ny fampantenana nataon’ny Filoha. Hampiavaka ny hopitaly ny hametrahana ny toeram-pandidiana famindrana voa na  «  transplantation rénale  ». Tetikasa efa ela no novinavinain’ny Filoha noho ny hamaroan’ny marary mangataka ny hanokafana ny sampan-draharaha. Misy mihitsy ireo maty noho ny tsy fahafahana manaraka ny fitsaboana any ivelany. Ho azo tanterahina eto Madagasikara ity karazana fandidiana ity raha toa ka tsy maintsy natao tany ivelany toa an’ i Inde, hatramin’izao. Marobe ireo mila ny fandidiana ka antony nanaovan’ny Filoham-pirenena laharam-pahamehana manokana ity sampan-draharaha ity ao amin’ny hopitaly. Efa vonona ihany koa ireo manam-pahaizana vahiny hanome ny traikefany rehefa nifampiresaka tamin’ny Kardinaly. Mandray anjara lehibe amin’ny fampandrosoana ny Firenena ny Fiangonana Katolika amin’ny fanabeazana, ny fiahiana, fitsaboana sy fitaizana ara-panahy ka antony tsy nisalasalan’ny Filoha amin’ny fanomezana tanana ny Fiangonana.

Manolo-tanana ny Fiangonana
Nomarihin’ny Filoha ihany koa fa anisany manome tanana goavana ny Fiangonana Katolika amin’ny fitsaboana eto Madagasikara. Saika rantsa-mangaikan’ny Fiangonana ireo toeram-pitsaboana amin’ny toerana lavitra andriana eto Madagasikara. Mahakolo fotodrafitrasa ihany koa ny Katolika ka hipetraka ho fananana sy fotodrafitrasa azo lovain-jafy ny asa vita. Hanavotra ain’olona maro ny hopitaly rehefa tafatsangana. Isany noderain’ny Filoha manokana ny fahaiza-manaon’ny Fiangonana Katolika amin’ny fampitana fahalalana amin’ny tontolon’ny fampianarana. Anisany nanana mpianatra maro an’isa sangany tamin’ny fanadinam-panjakana Cepe, Bepc, Bakalorea farany teo, manerana ny Faritra 22 ny sekoly katolika ka isan’izany i Toamasina. Midika ho fahaizana mifehy mpianatra ny fahazoana voka-panadinana ambony.

Haino aman-jery katolika RTCM ao Androranga - Toamasina
Notokanana ny faran’ny herinandro teo koa ny televiziona katolika voalohany eto Madagasikara «   Radio - Télé- catholique Masôva  » - RTCM ao Androranga- Toamasina. Niforona tany amin’ny taona 2010 ny Radio Masôva ary izao lasa niova ho televiziona izao taty aoriana. Nitombo hatrany ny isan’ireo mpanaraka ny Radio Masôva, ka nanapa-kevitra ny tompon’andraikitra hanitatra izany ho Televiziona. Efa tsy azo ihodivirana intsony koa ny televiziona, ka natao ho fanabeazana, fampitana vaovao marina sy ho fampiroboroboana ny fampielezana ny evanjely ny RTCM. Nanatrika ny fampahafantarana ny tetikasa ho fampandrosoana ny Fiangonana Katolika ihany koa ny Filoham-pirenena. Voakasik’izany ny fanabeazana, serasera, fahasalamana, fiahiana ny zon’olombelona sy fampandrosoana ara-tsosialy. "Isaky ny hariva ny tenako dia nampita ny fepetra rehetra tokony harahantsika rehetra mba hoentina miady sy hisorohana ny tsy hiparitahan’ny valanaretina coronavirus tany aloha tany. 

Natao isaky ny tapa-bolana indray izany avy eo. Nihaino sy nanaraka ny toromarika ny rehetra. Noho izany dia zava-dehibe ny fampitam-baovao sy ny fitaizana ny olom-pirenena rehetra. Zavatra lehibe ny fitaizana  : na ara-panahy, na eo amin’ny fanabeazana io dia zava-dehibe ny fananana fampitam-baovao tahaka izao. Eto aho dia miarahaba manokana ny Diosezin’i Toamasina nanokatra an’ity ho lasa Radio Televiziona Katolika voalohany eto Madagasikara. Teto Toamasina no nanaovana an’izany voalohany", hoy izy raha niresaka ny Radio Televiziona Masôva.

Ny fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés