Webradio

FILOHA ANDRY RAJOELINA : Mikatsaka ny fampidinana ny vidin-jiro sy rano eto Madagasikara

Nitohy ny andron’ny alahady 24 janoary ny fitsidihana tamin’ny fomba ofisialy ataon’ny Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina, ao Toamasina. 25 janvier 2021

Nisy ny fitokanana fotodrafitrasa mamokatra angovo azo havaozina ; angovo azo avy amin’ny masoandro. 

Ao Tanambao-Verrerie no misy ilay fotodrafitrasa. Takelaby misintona herin’ny masoandro (plaque solaire) miisa 5 580 no efa tafapetraka ao Toamasina, amin’izao fotoana izao. Angovo 2MW no efa vokariny, izay efa ampiasain’ny orinasa Jirama soa aman-tsara nanomboka ny volana aogositra 2020 lasa teo. Fantatra fa afaka 2 taona, dia ho tonga hatramin’ny 20 MW ny angovo vokarin’ity foibem-pamokarana angovo avy amin’ny herinaratra ao Tanambao-Verrerie ity. Herinaratra afaka hamatsy tokantrano manodidina ny 30 000 ao Toamasina ambonivohitra sy Toamasina Faharoa. Mazava ho azy fa hiteraka fidinan’ny vidin-jiro izao fahazoana angovo azo havaozina izao ary sady ho fiarovana ny tontolo iainana.

Porofo izao rehetra izao fa mikatsaka lalandava ny soa ho an’ny vahoaka malagasy ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina.

“Mila manatsara ny tolotra omeny ny Jirama”

Taorian’ny fanatrehana ny Fankalazana ny Eokaristia tao Toamasina, nitsidika sy nitokana toby famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro tao Betainomby Toamasina ny Filoham-pirenena. Tetikasa niarahana tamin’ny «  Enelec  » sy «  Green Power  ». Nanantitra ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, fa hisy fiantraikany mivantana any amin’ny vahoaka ny fitokanana ity fototrafitrasa vaovao ity. «  Velirano natao ny fampisitrahana angovo ho an’ny rehetra ary tsy maintsy tanteraka izany  », hoy ny Filoham-pirenena. 

Ny 15 isan-jaton’ny mponina eto Madagasikara ihany no manana herinaratra amin’izao fotoana. Fanamby nataon’ny Filoha kosa ny hampiakarana izany hatramin’ny 40 isan-jato hatramin’ny 50 san-jato. «  Ny fampiasantsika ny angovo azo havaozina no zava-dehibe indrindra  ary io ankehitriny no tena imasoan’ny Fitondram-panjakana  », hoy izy.
Nokianin’ny Filoha mafy kosa ny mahakasika ny jiro sy rano tapaka lava. Nambarany fa efa misy tompon’andraikitra napetraka amin’ireny ka raha jiro sy rano tsy mahafa-po ny mpanjifa no atolotra dia tsy handroso ny Firenena. «  Nomen’ Andriamanitra, rano, rivotra ary masoandro mibaliaka isika. Ny fahaizantsika manodina an’ireo hahasoa ny mpiara-belona no isehoan’ny fahaiza-mitantana  », hoy ny nambarany. Mampihena ny hofan’ny fanodinana ny milina ampisain’ny Jirama amin’izao fotoana ny angovo azo havaozina, hoy ny Filoha. Io mantsy hatramin’izay no nampidi-trosa be ho an’ity orinasa ity, ka tsy nahafahany nivoatra sy namaly ny filàn’ny mpanjifa. « Ialantsika io satria orinasa vitsy no mahazo tombony amin’izany saingy ny vahoaka dia migoka ny mafy hatrany. Tsy maintsy havaozina sy ovaina izany fomba fiasa izany ary izay no iantsoana ny orinasa rehetra afaka mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro  », hoy hatrany Filoha.

Nanome toromarika hentitra ho an’ny orinasa Jirama ihany koa ny Filoha mikasika ny fampidinana ny saran’ny jiro sy rano. "Mila manatsara ny tolotra omeny ny Jirama. Mila tsinjovina ny fahefa-mividin’ny vahoaka. Herinaratra ho an’ny rehetra amin’ny vidiny mirary no tanjona. Ny Jirama dia orinasam-panjakana ary natao hiasa ho an’ny vahoaka, tsy azo ekena raha ratsy izany. Rano tapaka, jiro tapatapaka nefa ny faktiora midangana zato isan-jato ;  tsy izany no ilain’ny vahoaka ny Jirama  », hoy izy. Nanterin’ny Filoha koa fa vao avy nandalo covid-19 isika eto Madagasikara izao, mihena avokoa ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano ka tsy ho afaka hanefa faktiora lafo sy midangana.

Fampidiran-jiro sarotra sy tsy manara-dalàna

Noresahina nandritra ity koa ny mahakasika ny fampidiran-jiro izay sarotra no sady tsy manara-dalàna eto Madagasikara. Marihina tokoa fa misy eto amintsika ny tokantrano iray mizara jiro amin’ny olona na tokantrano folo hafa noho ny fahasarotan’ny fampidiran-jiro sy ny pitsopitsony tsy maintsy arahina amin’izany. Nanome toromarika, araka izany, ny Filoham-pirenena fa ny olom-pirenena rehetra dia tokony hanana bokim-pianakaviana avokoa hahafahana manisa ny mponina no sady hahafahana mamantatra ny adiresy misy azy. Rehefa fantatra ny adiresy misy ny tsirairay dia horaisin’ny Fanjakana sy ny Banky iraisam-pirenena ny fampidirana jiro amin’ny tanàn-dehibe rehetra toa an’Antananarivo, Mahajanga, Toamasina, Toliara, Fianarantsoa.

Nankasitraka ny Filoham-pirenena tamin’ny fametrahana vina mazava hampisitrahana herinaratra ho an’ny vahoaka malagasy ny avy amin’ny Enelec sy Green Power. Voasoritra mazava ao anatin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana na PGE fa ny angovo no fototra ijoroan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Vina noentin’ny Filoha rahateo ny hampidina ny vidin’ny herinaratra sy ny fampitomboana avo roa heny ny herinaratra vokarina eto Madagasikara. «  Namaly ny antso izahay ary nandray ny anjara birikinay tamin’ny fanatanterahana ny velirano  », hoy ny avy amin’ny Enelec. «  Hybrydes  » ity toby famokarana herinaratra vaovao ity. 

Mamokatra herinaratra 20mwt maherin’ny roa isan-jaton’io no efa nirotsaka tanteraka any amin’ny sampan-draharahan’ny Jirama nanomboka tamin’ny volana aogositra 2020 lasa teo na tao anaty hamehana ara-pahasalamana aza ny Firenena. Tanjona kosa ny hahafahana mamokatra herinaratra 84 Mw manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny fametrahana ny foibe any Mahajanga, Antsiranana, Anosibe ary Toliara.

Ny fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés